• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Matavy Cuisine Mahoraise
Image
Fahasalamana&Sakafo

Nahandro Gasigasy mamelombelon'aina : Ron’anana sy patsabe

01/05/2023 19:22 © Moov.Mg

Fanaontsika Malagasy ny mihinana hena na vorona atao matsiro tsara rehefa alahady, indrindra moa fa raha lavalava ny « week-end ». Ampiarahantsika amin’ny ranom-boankazo mamy be, indraindray misy zava-pisotro misy alikaola, ireny sakafo mafilotra ireny. Rariny tokoa izany raha mba atao sakafo « rony » sy mamelon’aina no hanina mba isorohana aretina maro. Ny ron’anana sy patsa be no andeha ho atoro anao ny fikarakarana azy.

Sakafo mamelombelon’aina sady mora karakaraina

Anisan’ny sakafo mamelombelon’aina rehefa vita fety ny ron’anana. Mora levonina ary mampody aina tokoa, indrindra raha ampiarahina amin’ny patsa be. Marihina fa ny patsa be dia hazan-dranomasina iray mitahiry otrikaina betsaka. Ny patsa be maina no misy tahan’otrikaina ambony kokoa noho ny patsa be lena. Tsara ihany koa raha ravimbomanga no anana safidiana noho izy ahitana vitamine C sy singa manamora ny fandevonan-kanina. Ny ampitson’ny fety no tsara indrindra hinanana ity sakafo ity mba ho mora afaka ny havizanana nandritra ny fety.
Ireo akora ilaina amin’ny fikarakarana ron’anana sy patsa be
-Ravimbomanga (na anamamy)
-Patsa be maina
-Anamalaho (Tsy asiana anamalaho raha anamamy no ampiasaina)
-Angivy
-Tongolo
-Sakamalaho
-Sira
-Menaka

Fomba fikarakarana azy

Sasana madio ny ravimbomanga sy ny anamalaho vita tango ary avela hitsi-drano. Avela ilona mandritra ny 30 minitra anaty rano ny patsa be maina vao sasana ary atao mitsi-drano. Tetehina ny tongolo ary kikisana ny sakamalaho. Afanaina ny vilany ary asiana mena roa sotro fihinanana. Arotsaka ny tongolo sy ny sakamalaho ary arorohina amin’ny sotrobe. Rehefa mitady ho mendy dia arotsaka ny patsa be maina sy ny angivy. Aroharohana mandritra ny 5 minitra eo ambony afo malefaka. Rehefa somary mahazo loko volomboasary ny fangaro dia arotsaka ny ravimbomanga sy ny anamalaho. Tapohina rano sahaza mba ahazoana rony amin’izay hitiavana azy. Mety kosa anefa raha atao somary be rano fa tsy atao ketsaketsa.

Lire la suite

Articles Similaires