• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef Madagascar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ady amin'ny lefakozatra : Ento manao vaksiny Polio ny zaza, iarovana azy amin'ny fahalemen'ny ratsam-batana

28/04/2023 10:04 © Moov.Mg

Mampalemy tampoka ny rantsam-batana eo amin’ny zaza na olon-dehibe ny lefakozatra. Maro tokoa ireo ankizy mitondra takaitra mandra-pahafaty noho ity aretina ity. Azo atao tsara kosa anefa ny misoroka ny lefakozatra amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny Polio ny zaza.

Inona tokoa moa izany aretina lefakozatra izany ?

Ny lefakozatra dia aretina iray vokatry ny viriosy antsoina hoe « poliovirus ». Ity farany moa dia mifindra amin'ny fifandraisana amin'ny diky (tanana maloto) na rano maloto. Ny zaza latsaky ny dimy taona no tena voakasiky ny lefakozatra. Mety ho tratrany avokoa anefa ny sokajin’olona rehetra izay tsy voaaro. Ho an’ny 1% ny olona tratra ilay viriosy dia miteraka fahalemen’ny rantsam-batana tsy misy fanafana ity aretina ity. Ny sandry sy tongotra matetika no voakasik’izany fahalemena izany. Ny fanaovana vaksiny ny zaza no fomba mahomby hiadiana amin’ny lefakozatra. Tao alohan’ny fisian’izany fanefitra izany dia maro ireo zaza salama tsara alohan’ny handeha atory nefa lasa malemy tampoka rehefa maraina ny andro noho ilay aretina.

Ahoana ny fomba fitrangan’ny lefakozatra ?

Ny ankamaroan’ny olona tratry ny lefakozatra dia tsy ahitana fambaran’ ilay aretina. Maro noho izany ireo voa nefa tsy mahafantatra akory. Raha toa ka misy fambara ny lefakozatra dia eo amin’ny faha 7 hatramin’ny faha 14 andro aorian'ny nidiran’ny viriosy izany vao miseho. Ny fanavina, ny arehana ary ny aretina an-doha no soritr’aretina voalohany miseho. Rehefa miombo ny aretina dia miamanaitaina ny hozatra ary re mihenjana ny atoka sy ny lamosina. Lasa malemy avy eo ny faritra misy ireo sela simban’ilay aretina. Mety maharitra 60 andro na mandra-pahafaty izany fahalemena izany. Raha mihitatra any amin’ny atidoha ny lefakozatra dia miterika tsy fahatomombanan’ny taovao fisefoana sy ny fikorian’ny rà, ka mety hitarika amin’ny fahafatesana.

Ny fanaovana vaksiny ny zaza no hany fanefitry ny lefakozatra

Mbola tsy ahitana fanafody hitsaboana sy hanasitranana azy ny lefakozatra. Ny fanaovana vaksiny ihany hatreto no fanefitra lehibe afaka hisorohana sy hiadiana amin’ity aretina mampalemy ny rantsam-batana ity. Raha ny eto Madagasikara manokana moa dia misy ireo fanentanana maro isan-karazany handrisihana ireo ray aman-dreny hanao vaksiny ny zanany ho fiarovana azy ireo amin’ny lefakozatra. Fomba iray hiarovana ny taranaka sy ny mpiara-belona ny fanaovana vaksiny « Polio ». Ny tanjona moa dia ny ho vita vaksiny avokoa ny ankizy rehetra eto amin’ny firenena ary ho fongatra tanteraka ny aretina. Tandremana tsara mba ho vita avokoa ireo vaksiny famerenana Polio 1, Polio 2 sy Polio 3 mba ho voaharo tanteraka ny zaza. Maimai-poana ny fanaovana izany eny amin’ireo tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires