• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gridam
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiankinan-doha amin’ny loka : fahazaran-dratsy azo ialana

26/04/2023 13:30 © Moov.Mg

Mbola maro ireo olona mahafantatra fa miteraka fiankinan-doha ny loka. Efa maro ny tokantrano rava sy ireo fiainana simba nohon’ny filokana. Fa inona tokoa moa no atao hoe loka ? Manao ahoana ireo olona miankin-doha amin’ny loka ary inona no fomba atao hialana amin’izany fahazaran-dratsy izany ?

Inona no atao hoe loka ?

Misy karazany maro ny loka. Ny kilalao mampiasa ary mety ahazoana na andaniana vola no voakasik’izany. Amin’ny ankapobeny moa dia miantehitra amin’ny vintana ny ankamaroan’ireo kilalao filokana. Raha ny eto Madagasikara manokana dia ny fandehanana amin’ireny toeram-pilokana toy ny casino ireny no mitarika indrindra ny fiankinan-doha amin’ny loka. Mety hahazoana, fa indrindra, handaniana vola an-tapitrisany maro amin’ny fotoana fohy ny fandehanana amin’ireny toerana ireny.

Anisan’ny filokana mampiasa vola betsaka ary efa miteraka fiankinan-doha eo amin’ny mpiloka malagasy maro ihany koa ny adin’akoho, ny filalaovana karatra sy ireo filokana ara-panatanjahantena toy BET sy ny hazakazan-tsoavaly. Efa mihamaro ihany koa ireo mpiloka mirona amin’ireny « jeux en ligne » ireny. Amin’ny voalohany ny fanaovana ireny loka isan-karazany ireny dia mba hatao fialamboly na andrakandrana. Mivadika ho fiankinan-doha kosa anefa izany rehefa atao matetika loatra na koa very vola betsaka ka mieritreritra hanarina izany fahaverezana izany.

Manao ahoana ny olona miankin-doha amin’ny loka ?

Ny filokana diso tafahoatra dia voasokajy ao anatin’ireo fahazarana mampiankin-doha ary mety mivadika ho aretin-tsaina raha tsy mahavita mifehy tena intsony ilay mpiloka. Tsy mahavita mijanona amin’io fahazaran-dratsiny io tokoa ity farany na dia manimba tsikelikely ny fiainana aza izany. Azo lazaina ho efa miankin-doha amin’ny loka ny olona iray raha toa ka :

Tsy mahita tory rehefa tsy afaka miloka ka manjary lasa kizitina sy sorena lava amin’ny olona manodidina azy

Lasa mitokatokana ary tsy tia mifanerasera amin’ny olona, na ao an-trano na any am-piasana

Tsy manana fialamboly intsony

Tsy mahafe-tena intsony amin’ny vola sy fotoana lany rehefa miloka

Tsy mahazo fahafinaretana intsony amin’ny maha kilalao ilay loka atao

Tsy mahavita miala amin’ilay fitiavana miloka na mampihena ny fanaovana izany aza

Rehefa tafiditra ao anatin’ny fiankinan-doha tanteraka amin’ny loka ny olona iray dia sarotra aminy ny miala amin’izany. Lasa mivadika filàna iray lehibe eo amin’ny fiainany ary tsy azony idoviran intsony ilay filokana.

Inona ary ny fiantraikan’ny fiankinan-doha amin’ny filokana ?

Mazava ho azy fa ny fahasahiranana ara-bola no fiantraikany voalohany ateraky ny fiankinan-doha amin’ny loka. Tsy vitan’ilay mpiloka intsony ny mametra ny vola laniany rehefa miloka izy. Mahazana lany amin’izany avokoa ny karama sy ny vola am-pelatanana. Mety mihitatra hatrany amin’ny fitrosana sy ny fivarotam-pananana satria manantena ny hamerina hatrany ny vola lany.

Miteraka fifandirana ao anivon’ny tokantrano sy ny ankohonana ny fandaniana vola mihoa-panana ateraky ny fiankinan-doha amin’ny loka izany. Mijaly ara-bola sy ara-tsaina ny ao an-tokantrano ary very fananana. Matetika ihany koa ireo mpiloka lasa mamitaka sy mandainga amin’ny namana, havana na mpiara-miasa indramany vola ka lasa misy disadisa amin’ireto farany. Mety mihitatra hatrany amin’ny faharavan’ny fihavanana, fahaverezan’ny asa na figadrana ny fiankinan-doha amin’ny loka.

Ahoana no fomba hialana amin’izany fiankinan-doha amin’ny loka izany ?

Toy ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina dia mila fandraisan-tanana sy fanarahana manokana avy amin’ny mpitsabo ara-tsaina ny fialana amin’ny fiankinan-doha lalina amin’ny loka. Mialoha ny fanantonana ireny toeram-pitsaboana voatokana ireny dia manapa-kevitra ary mivonona hiala amin’izany fahazaran-dratsy izany ilay mpiloka. Manampy azy amin’izany fialany amin’ny filokana izany ny :

Fiaikeny fa manana olana amin’ny fiakinan-doha amin’ny loka izy

Fandinihany ny fitondran-tena tsy mety ataony noho ilay fiankinan-doha

Fiatrehany sy fiadiny amin’ireo toe-javatra mandrisika azy hiloka

Fanadinoany ireo vola lany tamin’ny loka

Fanekeny ny tsy fahaizany nifehy tena

Fahasahiany miresaka io olany io amin’ny olona akaiky azy

Fanantonana toeram-pitsaboana voatokana amin’ny fiankinan-doha

Raha ny eto Antananarivo manokana moa dia efa misy mpitsabo sy toeram-pitsaboana mandray an-tanana ny olona miankin-doha amin’ny loka. Raha mbola tsy tafiditra lalina anatin’ilay fiankinan-doha ny mpiloka dia mety mahavita miala irery amin’izany fahazaran-dratsy izany. Ny saina no mila atao mafy tsara mba hiadina amin’ny fakam-panahy te hiloka. Ilain’izy ireo ihany koa ny fanampiana sy ny fanohanana avy amin’ny ankohonany. Fadiana ny latsa sy teny mahery. Raha ny voalazan’ireo mpikaroka dia ny firesahana tsotra sy ny anatra feno fitiavana no anisan’ireo fomba mahomby hanampiana ny olona miankin-doha amin’ny loka na na amin’ny zava-mahadomelina.

Lire la suite

Articles Similaires