• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Sur Le Net
Image
Fahasalamana&Sakafo

Zaza misy hao : ireo fomba fiadiana sy fisorohana amin’ny hao

25/04/2023 10:14 © Moov.Mg

Saika mandalo izany fotoana misy hao izany avokoa ny ankamaroan’ny ankizy kely mandeha mianatra. Manorisory ary mety mandratra ny hodi-doha ny fisian’ireny biby kely ireny ao amin’ny volon’ny zaza. Ahoana ary ny fomba fiadiana sy fisorohana ny hao ?

Ahoana ny fomba ahafantarana fa misy hao ny zaza ?

Rehefa misy hao ny zaza dia mihoatra loha matetika sy mafimafy. Eo amin’ny faritra ambadiky ny sofina sy eo amin’ny hatoka mahazana no tena mangidihidy azy. Tsy voatery ho misy hao kosa anefa ny zaza mihoatra loha. Misy ihany koa amin’izy ireo no tsy mahare ilay mangidihidy nefa efa feno hao ny volony. Ny fisavana ny volo ihany no fomba ahafantarana hoe misy an’ireo biby kely ireo ny ankizy na tsia. Indraindray ihany koa mety ahitana atodin-kao ao amin’ny volo nefa tsy misy hao velona.

Ireo fomba fisorohana ny hao eo amin’ny ankizy

Amin’ny ankapobeiny moa dia ny zaza mitakosona amin’ny namany rehefa milalao no mora hifindran’ny hao. Izany hoe sarotsarotra amin’ny ray aman-dreny ny mamehy ny zanany tsy hilalao amin’ny ankizy hafa, na eo an-tokontany na any am-pianarana. Ny hany azo atao hisorohana ny hao eo amin’ny zaza dia ny fanadiovana tsara ny volony. Ilaina ihany koa ny misava matetika ny lohan’ny ankizy hijerena sao sendra efa misy atodin-kao maromaro na misy hao velona mihitsy aza.

Inona no atao hiadiana sy hanesorana ny hao amin’ny zaza ?

Efa maro ankehitriny ireo vokatra efa vonona famonoana hao amidy eny amin’ny farmasia na eny amin’ny tsena lehibe. Miendrika shampoing na savony fanasana volo izy ireny matetika. Osorana ilay shampoing ny volo ary avela hilona kely vao kobanina tsara. Ny ankamaroan’ireny vokatra ireny kosa anefa dia mitahiry akora simika. Mety tsy hahazaka azy ireny ireo zaza manana hoditra marefo. Raha manana fotoana ny ray aman-dreny dia tsara kokoa raha esorina tsirairay ireo hao sy atodin-kao amin’ny volon’ny zaza. Afaka mampiasa ireny fihogo misy nifiny mifanesy kely ireny mba hahamora ny fanalana ireny biby kely amin’ny volo ireny. Mila savaina matetika kosa anefa ny lohan’ny ankizy satria mety tsy ho afaka indray mandeha ireo hao ary mety miverimberina ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires