• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Goty : aretina mahavoa ny vanin-taolana

24/04/2023 16:14 © Moov.Mg

Manindronindrona toa manelingelina sy mivaramena ve ny ankihibe tongotrao ? Tandremo fa mety fambaran’ny goty no mahazo anao. Aretina anisan’ny mampijaly tokoa ity farany rehefa mihetsika ny fanaintainana. Fa inona tokoa moa no mahatonga ny aretina goty ? Ahoana ny fomba fisehony ? Inona avy ireo sakafo tandremana raha voan’ny goty ?

Inona no atao hoe goty ?

Aretina mahavoa ny vanin-taolana ny goty. Ny fiakaran’ny tahan’ny asidra antsoina hoe « acide urique » ao anaty rà no mitarika azy. Rehefa ambony loatra ny acide urique ao anaty rà dia mamorona ny atao hoe « cristaux d’acide urique » ao amin’ny vanin-taolana. Ireo cristaux d’acide urique ireo no mitarika ilay fanaitainana tsy zaka ao amin’ny vanin-taolana voakasik’izany. Eo amin’ny ankihibe tongotra matetika no fiantobohan’ilay fanaitainana. Raha tsy voatsabo ilay goty dia miakatra eny amin’ny vanin-taolana hafa toy ny lohalika sy ny tanana. Mitarika aretin’ny voa sy fiforonan’ny vato ao anaty ihany koa ny goty ary mety ho tonga hatramin’ny fahafatesana raha toa ka tsy voatsabo ara-dalàna.

Ireo antony mahatonga ny aretina goty

Ny fihinana sakafo mitahiry ilay singa antsoina hoe « purines » be loatra no antony voalohany mahatonga ny goty. Mampitombo ny famokaran’ny vatana acide urique ny purines. Ao anaty karazana sakafo samihafa no ahitana azy ireny. Tafiditra ao anatin’izany sakafo izany ny hen’omby, taova-kena ary ny labiera sy ny divay mena. Antony iray mitarika ny aretina goty ihany koa ny tsy fahavitan’ny voa manafoana ny acide urique izay mihoatra ao amin’ny vatana. Voalaza fa mora voan’ny goty ihany koa ny olona mihinana sakafo matsiro matetika nefa tsy manao fanatanjahantena.

Ahoana ny fomba fisehon’ny goty ?

Eo amin’ny ankihibe tongotra mahazana no miseho voalohany ny aretina goty. Manindrona sy marary be tampoka amin’ny alina. Tsapa mafana be, mangidihidy ary marary eo amin’ny faritry ny vanin-taolana sy ny manodidina azy. Tsikaritra ihany koa fa somary mivonto sy mivaramena na mangana ilay ankihibe tongotra. Mihamafy ny fanaintainana ary lasa miofaka ny hoditra. Mety maharitra andro maromaro ilay fanaintainana ary mety tsy hahavita hamindra ilay olona marary. Manindrona mafy ilay ankihibe tongotra raha voadona, eny fa na voakasiky ny lamba aza.

Inona no atao raha voan’ny goty ?

Ireo fambara voalohany voalaza eo ambony ireo matetika dia ampy ahafantaran’ny mpitsabo fa voan’ny goty ny olona iray. Mety misy fizahana fanampiny atao ihany koa hanamarihany tsara ilay aretina. Misy fitsaboana arahina hampitoniana ny fanaitainana ary hanenana ny tahan’ny acide urique ao amin’ny rà mba hitsaboana ny goty. Raha efa lasa lavitra ilay aretina dia mila mihinana fanafody mandra-maty ny marary. Etsy ankilany dia misy ihany koa ny torohevitra natoraly hampitoniana ny goty. Ny fisotroana ron’angivy moa no anisan’ny fomba iray voalaza fa mandaitra amin’ny fampitoniana ny aretina goty.

Ireo sakafo tokony tandreman’ireo olona misy goty

Mba hisorohana ny aretina goty dia tsara foana ny mandanjalanja ny sakafo hoanina. Ny voankazo sy legioma ary ny rano no atao betsaka amin’ny andavanandro. Raha toa kosa ka efa voan’ny goty ny olona iray tokony tandremana ireo sakafo mitahiry purines. Anisan’izany ny zava-pisotro misy alikaola toy ny labiera sy ny divay. Eo ihany koa ireo hena mena, ny vorona ary koa ireo taovan-kena toy vorovoron-kena, atikena, lela, atidohan-kena sy ny sisa. Mila ahena ihany koa ny fihinanana trondro matavy, ny hazan-dranomasina sy ny charcuteries. Ahitana purines ihany koa ny legioma toy ny chou-fleur sy ny épinard. Tsara raha fadiana tanteraka ireo sakafo voalaza ireo amin’ny fotoana ihetsehan’ny goty. Afaka miverina mihinana kely sy am-pahendrena rehefa milamina ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires