• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Nature Innovation
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fisotroana divay mena : maro ireo vokatsoa entiny amin’ny vatana

24/04/2023 10:32 © Moov.Mg

Mankafy misotro divay mena ve ianao ? Fantaro fa mitondra tombotsoa maro amin’ny vatana ny divay mena raha sotroina amin’ny fatra voalanjalanja. Andeha ange ho resahina ireo vokatsoa azo avy amin’ny fisotroana divay mena iray vera isan’andro e !

Mahalava andro iainana ny fisotroana divay mena

Voaporofon’ireo mpanao fikarohana fa mahalava andro iainana ny fisotroana divay mena iray vera isan’andro. Mandrisika ny famokaran’ny vatana karazana proteina miady amin’ny fahanteran’ny sela izany. Voalaza tokoa mantsy fa miakatra 34% ny taham-pahaveloman’ny olona mpisotro divay mena raha ampitahaina amin’ireo mpisotro toaka fotsy na labiera. Voalaza ihany koa fa manampy amin’ny famonoana ireo selan’ny homamiadana ny divay mena.

Miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà ny divay mena

Manatsara ny fiasan’ny fo sy ny lalan-drà divay mena. Mampisokatra ny lalan-drà ary miady amin’ny rà mandry ity karazana divay ity. Vahaolana afaka mamonjy eo ny eo noho izany ny fisotroana divay mena amin’ny fatra kely raha toa ka milatsaka be ny tosi-drà. Misoroka ny fiatoan’ny fitempon’ny fo tampoka, na ny fahatapahan’ny lalan-drà tampoka ihany koa ny fisotroana azy isan’andro.

Mampitony ny rarin-tsaina ary manatsara fitadidiana

Miasa amin’ny ati-doha ny fisotroana divay mena amin’ny fatra antonony. Mitahiry singa iray mandrisika ny fampitoniana ny fihetseham-po miainga any amin’ny loha ny hodin’ny voaloboka mena fanamboarana divay. Manatsara ny fitadidiana ihany koa ny fisotroana ity farany. Efa maro ankeitriny ireo mpikaroka ara-tsiantifika manao fikarohana mikasika ny fiasan’ny divay mena amin’ny fisorohana na fanemorana ny aretina mifandray amin’ny fahaverezan’ny fitadidiana toy ny Alzheimer.

Mandrindra ny cholestérol ny fisotroana divay mena

Manampy betsaka amin’ny fandrindrana ny tahan’ny cholestérol ny fisotroana divay mena. Mampidina ny tahana menaka ratsy ao anaty vatana tokoa mantsy ity karazana ranom-boaloboka ity. Tsy mitondra fanampina kaloria toy ny labiera ny divay ary mitahiry gène miady amin’ny fiforonan’ny sela matavy. Afaka manampy amin’ny fanenana vatana izy noho izany. Ilaina kosa anefa ny mampiaraka azy amin’ny sakafo ara-pahasalamana sy voalanja mba ahazoana vokatra tsara.

Amin’ny maha zava-pisotro mahamamo azy kosa anefa dia mila sotroina am-pahendrena sy amin’ny fatra voalanjalanja ny divay mena. Vera iray isan’andro ho an’ny vehivavy ary vera roa isan’andro ho an’ny lehilaly. Mety hiteraka fiakinan-doha sy aretina hafa ny fisotroana divay mena raha atao mihoatra ny antonony.

Lire la suite

Articles Similaires