• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Creapharma.Ch
Image
Fahasalamana&Sakafo

Molotra vakivaky sy maina rehefa ririnina : inona no atao ?

19/04/2023 10:05 © Moov.Mg

Efa hiditra amin’ny andro mangatsika isika izao. Betsaka sahady izao ireo miferotr’aina mieritreritra ny molotra vakivaky sy maina rehefa ririnina. Tsy vitan’ny manelingelina fa tena marary tokoa rehefa tojo izany. Fa inona tokoa moa no mahatonga ny molotra tresatresaka sy makina rehefa ririnina ? Ahoana ny fomba fisorohana sy ny fanasitranana izany ?

Inona no mahatonga ny molotra vakivaky sy maina rehefa ririnina ?

Trangan-javatra fahita matetika ny molotra vakivaky sy maina rehefa ririnina ny andro. Anisan’ny hoditra manify sy malemy amin’ny vatana ny molotra. Mora makina sy tresaka izy rehefa tratry ny rivotra sy ny hatsiaka. Mandeha rà mihitsy moa izany ho an’ireo tena tsy mahazaka.
Manampy trotraka ny fahamainan’ny molotra ihany koa ny tsy fahampiana rano eo amin’ny vatana amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina. Somary malaina misotro rano tokoa mantsy isika rehefa mangatsiaka ny andro. Azo atao tsara kosa anefa ny misoroka sy mampitony ny molotra vakivaky sy maina nohon’ny hatsiaka.

Ireo fomba atao hampitony sy hitsaboana ny molotra vakivaky sy maina rehefa ririnina

Rehefa hita fa vakivaky sy maina ny molotra rehefa ririnina dia fadiana ny milelaka molotra matetika. Vao maika mampakina sy mampitresaka azy izany. Fomba iray hampalandina indray ny molotra maina ny fanosorana tantely aminy. Atao isan-kariva mialohan’ny atory. Azo atao ihany koa ny manafangaro ranona betravy amin’ny tantely. Ho hitanao fa sady ho mora mandina ny molotrao no ho salama.
Fomba iray mahomby ihany koa ny fampiasana tantely afangaro amin’ny eau de rose. Hafanaina atao matimaty ny tantely. Arotsaka ao anaty tavoangy misarona ary alefa ao ny eau de rose. Ahontsana hifangaro tsara. Rehefa mangatsiaka io fangaro io dia afaka ahosotra amin’ny molotra maraina sy hariva.

Azo atao ihany koa ny mampiasa vokatra efa vita toy ny Labello. Maro ny mampiasa ity lokomena tsy misy loko ity hampitoniana sy hitsaboana ny molotra vakivaky sy maina rehefa ririnina. Vetivety dia sitrana ny molotra rehefa mampiasa azy ity isan’andro. Tandremana tsara kosa anefa mba ilay vokatra eny amin’ny farmasia no jifaina mba ho azo antoka fa tsy manimba molotra.

Ireo torohevitra hisorohana ny molotra vakivakin’ny hatsiaka

Azo atao tsara ny misoroka ny molotra vakivaky sy maina rehefa ririnina. Ny zavatra atao voalohany, manao gommage ny molotra mba hanamafisana sy hiarovana azy. Tsotra ny fanaovana izany. Lomana ao anaty huile d’olives ny borosy nify malefaka. Kosehina moramora amin’ity farany ny molotra mba hialan’ireo hoditra maty sy maha mora tresaka ny molotra.

Azo hikosehina ny molotra ihany koa ny siramamy afangaro amin’ny tantely sy huile d’olive. Sady manala ireo hoditra maty izany no miaro ny molotra amin’ny hatsiaka. Avela hilona mandritra ny 5 mn vao kobanina amin’ny rano matimaty. Fafana amin’ny lamba malefaka. Atao isaky ny roa andro io gommage io, indrindra rehefa manakaiky ny ririnina.

Tsy adinoina ihany koa ny misotro rano betsaka hisorohana ny molotra tresaka sy makina nohon’ny hatsiaka. Tsara ihany koa raha mihinana sakafo manakarena vitamine A toy ny voatabia, voasary, karaoty, legioma maitso… Manampy amin’ny fahasalaman’ny hoditra ny vitamine A ary miaro ny molotra tsy ho mora andairan’ny hatsiaka.

Lire la suite

Articles Similaires