• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiomanana amin’ny ririnina : ireo fomba hiatrehina ireo aretina entin’ny andro mangatsiaka

18/04/2023 17:53 © Moov.Mg

Efa manakaiky ny ririnina. Mila miomana ny rehetra hiatrika ny hatsiaka sy ireo aretina aterak’izany. Toy ny isan-taona dia miparitaka ny sery, areti-tenda, gripa... Mahazo vahana ireo karazana viriosy ary mamely mafy rehefa mangatsiaka ny andro. Inona avy ary ireo fomba hiatrehina ny aretina entin’ny andro mangatsiaka ?

Mampitombo ireo hery fiarovana hiatrehina ireo aretina entin’ny andro mangatsiaka

Rehefa mangatsiaka ny andro dia mihena ny hery fiarovana ary mihamarofo ny vatana. Mora kokoa ho an’ireo viriosy ny miditra amin’ny vatana. Raha tsy mafy tsara ny hery fiarovana dia mety mampandamoka ireo aretina entin’ny andro mangatsiaka. Inona avy ary no tokony atao ampitomboana ny hery fiarovana ?
Mihinana sakafo ara-pahasalamana : ny sakafo no ahitana ireo otrikaina rehetra ilain’ny vatana mba hampatanjaka ny hery fiarovana. Mba hiatrehana ny ririnina dia ny voankazo sy ny legioma no tena atao betsaka rehefa misakafo. Tsy atao betsaka anefa ny legioma maitso noho izy ireny mitahiry fibres be loatra ka mety ankarary kibo rehefa mangatsiaka ny andro. Tsy adinoina ny mihinana tantely sy ny misotro dite voasary makirana. Ilaina ihany koa ny misotro rano betsaka. Ny rano mafana no tsaratsara kokoa mba hiadina amin’ny viriosy mankarary tenda.
Manao fanatanjahantena : fomba iray manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ny fanaovana fanatanjahantena. Ho an’ireo olona tsy zatra na tsy afaka mikotrana be loatra, azo atao tsara ny mampihetsika ny vatana arak’izay tratra. Izany hoe mandeha tongotra, miakatra sy midina ny tohatra… Mila mihetsiketsika mandritra ny 30 mn isan’andro farafakeliny ny vatana.

Manaja ireo fihetsika saka hisorohana ireo aretin’ny ririnina

Mifindra amin’ny fomba maro karazana ireo viriosy sy aretina entin’ny andro mangatsiaka. Matetika izy ireny dia mifindra amin’ny alalan’ny piti-droran’ny olona marary. Rehefa mikohoka, mievina na miteny ity farany dia mijanona eny amin’ny rivotra ilay piti-drora mitondra viriosy. Mety mifindra amin’ny alalan’ny fifandraisana tanana amin’ny olona marary na ny fikitihana zavatra noraisiny ihany koa ny viriosy.
Ilaina noho izany ny fanaovana ireo fihetsika sakana mba hisorohana ny fifindran’ny aretina. Izany hoe :

Tampenana amin’ny kio-tanana ny orona sy ny vava rehefa mieovona na mikohaka ;

Tsy apetrapetraka eny rehetra eny ny mosoara avy nampiasaina ;

Manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony ;

Manao aro vava-orina raha misy soritr’aretina (sery na gripa) mba hiarovana ny hafa.

Manao akanjo miaro amin’ny hatsiaka

Anisan’ny manamora ny fidiran’ny viriosy amin’ny vatana ny hatsiaka. Tsara noho izany raha miomana mitondra akanjo mafana mandrakariva rehefa mivoaka ny trano. Mila mitandrina tsara mba tsy ho voafitaky ny fahitana masoandro rehefa maraina. Mora mivadibadika ny toetr’andro rehefa vanim-potoanan’ny ririnina. Izany fivadibadihan’ny andro izany moa no tena mamparary satria tsy zakan’ny vatana ilay hatsiaka tampoka. Mety manampy amin’ny fisafidianana ny akanjo anaovana ny ampitso ihany koa ny fijerena ny tombatomban’ny toetr’andro.

Lire la suite

Articles Similaires