• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Pastèque : inona avy ireo vokatsoa entiny amin’ny vatana ?

17/04/2023 16:13 © Moov.Mg

Anisan’ny voankazo be mpankafy ny pastèque, indrindra rehefa mafana be iny ny andro. Ilay izy mangatsitsiaka, be rano sy mamy tsara iny moa no tena itiavana azy. Ankoatra izay dia mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana ny fihinanana azy. Inona avy ary ireo tombontsoa entin’ny pastèque ?

Mampitombo ny hery fiarovana ary mahasalama ny fihinana pastèque

Ahitana vitamine C amin’ny tahany ambony ao amin’ny pastèque. Ny vitamine C moa dia manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Tsy ho mora andairan’ny viriosy noho izany ireo olona mihinana matetika ity voankazo ity. Mitahiry vitamine A sy B ihany koa ny pastèque. Ny vitamine A moa dia fantatra amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny maso ary ny vitamine B6 kosa dia manatsara ny fiasan’ny atidoha.

Manatsara sy manamafy ny fiasan’ny hozatra ny fihinanana pastèque

Mitahiry potassium sy vitamine B6 ny pastèque. Mandray anjara amin’ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fiasan’ny hozatra ireo singa ireo. Manampy betsaka ireo olona manao asa mampiasa vatana sy ireo mpanao fanatanjahantena noho izany ny fihinanana pastèque. Azo hanina aloha, mandritra na ao aorian’ny fikotranana ity voankazo ity mba hisorohana ny volivoly na ny fanaintainan’ny hozatra ao aorian’ny fanatanjahantena. Manome rano ny vatana ihany koa ny pastèque ka miaro azy amin’ny tsy fahampin-drano.

Manampy amin’ny fanenana vatana

Afaka manampy amin’ny fanenana vatana ny fihinanana pastèque isan’andro. Mitahiry rano betsaka ny pastèque. Tsy mitahiry siramamy mampatavy ity voankazo ity na dia mamy be aza. Afaka hoanina izy izany rehefa ilay te hitsakotsako iny nefa manena vatana. Manapaka silany kelikely iray na roa ihany kosa anefa tsy mihinana be loatra. Ankoatra izay, manatsara ny fandevonan-kanina ihany koa ny fibres hita ao aminy ary manampy ireo olona mitohana.

Lire la suite

Articles Similaires