• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le360
Image
Fahasalamana&Sakafo

Huile d’olive : mitondra vokatsoa maro ho an'ny vatana

13/04/2023 09:44 © Moov.Mg

Anisan’ny menaka zava-maniry tena lafo vidy raha ny huile d’olive. Ankoatra ny tsiro tsy manam-paharoa entiny amin’ny sakafo dia mitondra vokatsoa maro amin’ny vatana ity farany. Inona avy ary ireo tombontsoa entin’ny fampiasana huile d’olive ?

Miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny AVC ny fihinanana huile d’olive

Manankarena otrikaina maro ilain’ny vatana ny huile d’olive. Manampy amin’ny fisorohana aretina maro noho izany ny fihinanana azy. Mitahiry « bonnes graisses » na ireo menaka matavy tsara sy mahasoa ny vatana ny huile d’olive. Mampihena ny tahan’ny cholestérol ary manatsara ny fikorian’ny rà ihany koa ity farany. Tsy ho mora tratry ny aretim-po sy ny fahatapahan’ny lalan-drà noho izany ireo olona mampiasa huile d’olive amin’ny sakafo. Tsy azo atao betsaka sy matetika loatra kosa anefa ny fihinanana azy ity.

Manampy amin’ny fisorohana ny alzheimer sy ny diabeta sokajy faharoa

Ahitana singa manana andraikitra antioxydants sy anti-inflammatoires ao anatin’ny huile d’olive. Manampy betsaka amin’ny fisorohana ny alzheimer sy ny diabeta sokajy faharoa izy noho izany. Ireo singa ireo moa dia mampitony ireo tsy fahatomombanana amin’ny vatana mety mitarika ireo aretina voalaza ireo. Mba hampandaitra izany dia mihinana sakafo ara-pahasalamana ahitana voankazo sy legioma betsaka. Huile d’olive no ampiasaina rehefa manao lasary na irony salades isan-karazany fatao fanokafam-bavony.

Manamandina sy mahasalama ny hoditra sy ny volo

Akora iray mitondra vokatsoa amin’ny fahasalaman’ny hoditra sy ny volo ny huile d’olive. Noho izy manankarena lipides dia maro ny mampiasa azy mba hampalandina sy mba hanomezana sakafo ny hoditra sy ny volo. Tsotra ny fampiasana ny huile d’olive hikarakarana ny volo. Sasana madio tsara ny volo ary hamainina. Hosorana huile d’olive sahaza ny halava sy ny hatevin’ny volo eo amin’ny felatanana ary hahosotra eo amin’ny volo sy ny hodi-doha. Raha hikarakarana ny hoditra indray dia afangaro amin’ny eau de rose ny huile d’olive ary hahosotra amin’ny hodi-tava sy ny faritra tiana halandina rehefa alohan’ny hatory. Tsy mila kobanina.

Lire la suite

Articles Similaires