• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Blog Mon-Marché.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fihinanana sakay : ireo tombontsoa azo avy amin’ny sakay pilo kely

13/04/2023 00:05 © Moov.Mg

Toy ny sakay rehetra dia mampazoto homana sy manampy tsiro amin’ny sakafo ny pilo kely. Ankoatra izay dia maro ireo vokatsoa entiny amin’ny vatana. Andeha ange ho resahina e !

Mitondra otrik’aina maro amin’ny vatana ny fihinanana sakay pilo kely

Mitahiry vitamines maro toy ny vitamines A, C, E ary B6 ny pilo kely. Ny vitamines B6 moa dia fantatra amin’ny fanatsarana sy ny fampitomboina ny famokarana ny sela mena ilain’ny vatana. Ahitana otrik’aina toy ny fer, cuivre ary manganèse ihany koa ao amin’ity sakay ity. Ireto farany moa dia manampy betsaka amin’ny fampitomboana ny hery fiarovana. Miaro amin’ny aretina maro vokatry ny mikraoba sy bakteria noha izany ny fihinana sakay pilo kely.

Mampitony ny fanaintainana ny fihinanana sakay pilo kely

Azo ampiasaina hampitoniana fanaintainana ihany koa ny sakay pilo kely noho izy mitahiry « capsaïcine ». Ity farany moa dia no singa iray manome ny hasiaka ny sakay. Manampy betsaka amin’ny fampitoniana fanaintanana ny capsaïne hita ao anaty pilo kely. Ny capsaïne moa dia ilay singa manome hasiaka ny sakay. Ny fihinana sakay pilo kely dia afaka manampy amin’ny fanenana ny fanaintainana toy ny areti-nify sy ny arthrose. Afaka mampitony ireo fanaintainana amin’ny nofo, ny taolana ary ny lamosina ihany koa izany.

Manamora ny fandevonan-kaninana sy ny fanenam-batana

Ny fihinanana sakay pilo kely dia manamora ny fandevonan-kaninana. Manaitra ireo taova fandevonan-kanina ilay tsiro masika entiny. Manamora ny fivoahana ihany koa ity sakay ity ka mety hoan’ireo olona mitohana lava. Ankoatra izay ihany koa dia manampy betsaka amin’ny fanenam-batana ny pilo kely. Manosika ny vatana hampiasa ny tahirin-tsiramamy sy tavy ao aminy ny hasikan’ity sakay mahery ity.

Manadio ny ao anaty ary miarao amin’ny aretina maro

Rehefa tratr’ilay masiaka iny ny lela sy ny vatana eo am-pihinanana pilo kely dia miakatra be ny hafanana ary lasa tsemboka be. Mivoaka mora ireo toxines sy ny rano be loatra ao anaty vatana. Ny fihinanana sakay pilo kely ihany koa dia mampihena ny tahan’ny siramamy sy ny tahan’ny cholestérol ao anaty rà. Mampitombo ny fiarovana ny vatana amin’ny aretina maro, toy ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà izany ny pilo kely.

Lire la suite

Articles Similaires