• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femmes References
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanabeazana aizana : mety amin’ireo vehivavy mbola tsy niteraka ve ?

12/04/2023 06:25 © Moov.Mg

Efa maro ankehitriny ireo fomba fanabeazana aizana azo atao hisorohana ny vohoka tsy niriana. Maro ireo fanentanana atao amin’ny tanora mba hampiasa ireny fanabeazana aizana mampiasa fanafody ireny. Mety amin’ireo vehivavy mbola tsy niteraka ve izy ireny ? Inona no fomba fanabeazana aizana sahaza ny tanora sy ireo mbola tsy manan-janaka ?

Inona no atao hoe fanabeazana aizana ?

Sokajiana ho fanabeazana aizana avokoa ireo fomba rehetra hisorohana ny fitoe-jaza vokatry ny firaisana ara-nofo. Mizara ho karazany telo ny fomba fanabeazana aizana. Ao ireo fomba natoraly, toy ny fanisana andro. Tsy manao firaisana ara-nofo mandritra ny fotoana maha lonaka ny vehivavy mba tsy ho bevohoka. Etsy andaniny dia misy ireo fomba fanabeazana aizana tsy natoraly, izany hoe ireo mampiasa fanafody misy tsiry mpanentana na ireo fitaovana hanoherana ny fitoe-jaza. Ireo indrindra no antsoina hoe fandrindram-piterahana, izay natokana ho an'ireo efa niteraka ka te hanelanelana ny fiterahana.
Ny fomba fanabeazana aizana farany dia ireo mandalo fandidiana mba tsy hiteraka intsony, toy ny ligature (ho an’ny vehivavy) sy ny vasectomie (ho an’ny lehilahy).

Ilaina ve ny fanaovana fanabeazana aizana raha mbola tsy niteraka ?

Ilaina ny fanabeazana aizana ho an’ireo mbola tsy niteraka, indrindra ny tanora. Amin’izao vanim-potoana izao tokoa dia efa maro ireo tanora miroso amin’ny firaisana ara-nofo alohan'ny fanambafiana. Ho an’ireo izay mbola mamita fianarana ka mbola tsy tokony hiteraka dia mety lavitra ny mampiasa fanabeazana aizana nohon’ny fanalan-jaza. Toy ny zava-drehetra moa dia misy ny lafy tsara sy ny lafy ratsiny ny fandrindram-piterahana, indrindra raha mihinana na mitsindrona fanafody simika. Mba hisorohana ireo mety ho voka-dratsy dia ilaina foana ny manatona mpitsabo mba hiaraha midinika ny fomba fanabeazana azo mifanaraka amin’ny toe-batan’ny tsirairay.

Inona ny fomba fanabeazana aizana mety amin’ny vehivavy mbola tsy niteraka

Raha mbola tsy niteraka ny vehivavy iray dia mety kokoa ny mampiasa ny fimailo. Sady azo antoka tsara ity farany no miaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Mety amin’ireo vehivavy mbola tsy niteraka ihany koa ny fanisana andro. Mila fitandremana tsara kosa anefa ity farany noho izy mora maha bevohoka raha misy fahadisoana kely. Tsy dia mety ny fanaovana tsindrona sy ny pilina ela loatra raha mbola tsy niteraka. Mitarika fahatarana amin’ny fahazoana zaza izany. Mety maharitra ho herintaona na roa taona aorian’ny nijanonana tamin’ny fanabeazan’aizana vao mitoe-jaza. Misy mihitsy aza moa no tsy manan'anaka intsony na dia tsy dia ampahafantarina amin'ireo haino aman-jery aza izany.

Lire la suite

Articles Similaires