• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio-Canada.Ca
Image
Fahasalamana&Sakafo

Havizanana vita fety : ireo torohevitra mampody aina

11/04/2023 06:52 © Moov.Mg

Matetika isika rehefa fety dia manaraotra mihinana sakafo matsiro be, misotrosotro, miari-tory… Maro amintsika noho izany no mahatsiaro tena vizaka tanteraka rehefa vita fety. Inona avy ary ireo torohevitra mampody aina azo atao mba hahazoana hery hiatrehana indray ny asa aman-draharaha ?

Misotro rano betsaka, fomba iray mampody aina haingana

Rehefa fetin’ny paska toy izao mazana dia fanaon’ny mpianakavy ny miara-misakafo, mandeha mitsangatsangana, misotrosotro, manao fialam-boly isan-karazany. Mandany hery, ary indrindra manamaina ny vatana tanteraka ireny rehetra ireny. Ilaina noho izany ny mampitombo ny fatran’ny rano sotroina mba iadiana amin’ny havizanana vita fety. Mampody aina haingana kokoa ny fanamandinana ny vatana ary ho mora afaka ny harerahana. Rehefa ampy rano no vatanao dia hiena ihany koa ny fitadiavany zava-mamy izay vao maika mampalemilemy. Azo atao tsara ny misotro dite voasary makirana raha toa ianao malaina ny hisotro rano tsotra.

Manao fanatanjahantena na mampietsika vatana

Ilaina ny mandoro ireo calories azo tamin’ny sakafo betsaka sy matsiro nohanina nandritra ny fety. Misinda hainganana kokoa ny havizanana vita fety rehefa mampietsika vatana tsara na manao fanatanjahantena ny ampitso. Mazava ho azy fa tsy ny manao reraka be no tanjona eto. Manao dia tongotra na mikotrana kely 30 minitra ao anatin’ny 1 andro dia ampy. Samy mora mampody aina vetivety kokoa no misoroka ny fahatavezana vita fety ny fanaovana fanantanjantena.

Manokana fotoana hakana aina

Aza adinoina ny manokana fotoana hakana aina rehefa vita fety. Io no fomba iray mampody aina mandaitra indrindra. Raha toa ianao ka niari-tory betsaka nandritra ny fety dia miezaha matory aloha mandritra ny herinandro manaraka. Raha azo atao dia maka andro iray tsy hiasana mba hakana aina. Ho an’ireo tsy afaka manao izany dia ajanona tanteraka ny filalaovana finday rehefa fotoana fakàna aina. Sady mamizaka maso izany no mamizaka saina.

Mihinana sakafo maivana sy ara-pahasalamana

Rehefa tapitra ny fety dia miomana indray hiverina amin’ny rotorotom-piainana andavanandro. Mba ampiverina ny hery sy ny fahazotoana dia ilaina ny mihinana sakafo maivana sy ara-pahasalamana. Ajanona hatreo aloha ny fihinanana sakafo mavesatra sy be menaka. Ny voankazo sy ny legioma no atao betsaka mba hanadio ny kibo. Tsy adinoina ny manao laoka rony mba hampody aina sy ho mora levonina ho an’ny vavony. Manampy betsaka amin’ny fanalana harerahana vita fety ihany koa ny fitsotroana ranom-boankazo tsy atao be siramamy.

Lire la suite

Articles Similaires