• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Bien Public
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mandro amin'ny rano mangatsiaka sa amin'ny rano mafana ? Inona no mahasalama ?

07/04/2023 10:38 © Moov.Mg

Tsara kokoa ve ny mandro amin’ny rano mangatsiaka sa amin’ny rano mafana ? Samy manana ny tombotsoa entiny avy izy roa tonta ireo amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Ndeha ary jerena ireo maha samihafa ny mandro amin’ny rano mangatsiaka sy amin’ny rano mafana.

Mandro amin’ny rano mangatsiaka, ireo tombotsoa avy amin’izany

Maro ireo olona mazaka, ary efa zatra, mandro amin’ny rano mangatsiaka. Etsy ankilany, misy ireo izay tsy marisika amin’izany. Maro anefa ireo tombontsoa azo avy amin’ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka.

Manatsara ny fikorian’ny rà ao amin’ny vatana

Manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fikorian’ny rà ny mandro amin’ny rano mangatsiaka, indrindra rehefa maraina. Rehefa tratry ilay rano mangatsiaka ny vatana dia misokatra ny lalan-drà ka mora mikoriana mankany amin’ny taova. Miaro amin’ny fiakaran’ny tosi-drà sy ny fahatsetseman’ny lalan-drà ihany ko noho izany ny mandro amin’ny rano mangatsiaka.

Mampitombo ny hery fiarovana

Raisin’ny vatantsika ho herisetra avy any ivelany ny hatsiaka entin’ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka. Mampiakatra ny famokarany globules blancs izy mba hanoherana izany. Ny globules blancs moa no miaro ny vatana amin’ireo aretina entin’ny viriosy sy ny bactéries. Mitombo sy mihamafy noho izany ny hery fiarovana rehefa mandro amin’ny rano mangatsiaka. Tsy mora andairan’ny sery sy ny gripa ihany koa ny olona zatra mandro amin’ny rano mangatsiaka.

Mitazona ny fahasalaman’ny hoditra sy ny volo

Tsara hoan’ny fahasalaman’ny hoditra ny fandroana amin’ny rano mangatsiaka. Mikatona ny maso-koditra rehefa tratry ny rano mangatsiaka. Mihamafy sy mihamalama ny hoditra ary tsy mora mitahiry ny loto entin’ny rivotra sy ny atsembohana. Ny rano mangatsiaka ihany koa dia mampamirapiratra sy mampatanjaka ny volo.

Ireo tombony azo avy amin'ny fandroana amin’ny rano mafana

Misy olona tsy mahavita mandro raha tsy amin’ny rano mafana. Mavatra mihintsy mifoha vao maraina manafana rano satria tsy mahazaka rano mangatsiaka. Fa inona tokoa ireo tombony amin’ny fandroana amin’ny rano mafana ?

Mampitony ny hozatra sy ny vatana

Mora mahazo aina kokoa ny vatana rehefa ilay reraka iny no mandro amin’ny rano mafana. Na ny hozatra na ny tonon-taolana dia samy mitony avokoa rehefa tratry ny rano mafana. Manentana ny fikorinan’ny rà miandrona ihany koa ity farany. Manampy amin’ny fampihenana ny fanaitanana sy ny fivontosana izy noho izany.

Manadio kokoa ny hoditra

Mampisokatra ny maso-koditra ny fandroana amin’ny rano mafana. Izany hoe mampivoaka ireo tavy sy poizina ao ambanin’ny hoditra izany. Ankoatra izay, manampy betsaka amin’ny fanesorana ireo loto sy ireo sela maty eo amin’ny hoditra ny rano mafana. Manadio ary mampalefaka kokoa ny hoditra izany ny fandroana amin’ny rano mafana.

Lire la suite

Articles Similaires