• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Etat dépressif : Ny famoizam-po, mitarika amin'ny famonoan-tena na amin'ny fandraisana zava-mahadomelina

06/04/2023 09:45 © Moov.Mg

Matetika rehefa maty namono tena na lasa adala ny olona iray vao taitra ny manodidina azy. Tsara fantarina fa tsy tongatonga foana ny famoizam-po fa misy antony mazava. Voakasik'izany avokoa na tanora na olon-dehibe.

Olana saro-bahana na fahadisoam-panantenana

Tato ho ato dia tsy mifidy taona ireo olona nandao ny tany noho ny famonoan-tena. Mametraka taratasy izy ireo matetika anazavany izay nanjo azy sy ametrahany hafatra farany. Tsy vitsy ihany koa ireo mifoka zava-mahadomelina, ireo misavorovoro ara-tsaina na lasa mahery fihetsika.
Olona tojo fahadisoam-panantenana na olana goavana matetika no mamoy fo. Ao ireo nilaozan'olon-tiana, ireo voaendrikendrika, ireo very asa, ireo ananan'olona volabe, ireo very fananana tampoka ary indrindra ireo iharan'ny tsindry isan-karazany. Ireo mbola mpianatra indray dia matetika tsy zakan'izy ireo ny fanilihana na fanambaniana ataon'ny namany azy. Raha tsy misy fandraisana an-tanana manokana ireny olona "voadona" ireny dia mety hisy tranga tena manahirana. Maro amin'izy ireny no lasa adala ka miboridana na mitsimpona fako eny amin'ny arabe, mamono tena, midaroka olona na mandray zava-mahadomelina mahery vaika.
Ireto avy ny fambara ahalalana fa mitady hamoy fo ny olona iray :
-Mitomany matetika, bongo na mena maso,
-Manjombon'endrika na resahina zavatra mahafaly aza,
-Mitokatokana sady tsy be resaka,
-Tsy mahita tory,
-Tsy ao an-trano matetika sady tsy miaraka amin'ireo namanymahazatra,
-Tsy mazoto homana intsony,
-Mandray zava-mahadomelina tampoka (mifoka sigara na mamo, nefa tsy fanaony izany).

Olona mila fanohanana fa tsy fanilikilihana

Raha misy olona akaiky, havana na mpiara-miasa tsikaritra fa mitady hamoy fo, tsara ny mandray an-tanana azy farak'izay haingana. Mila akaikaizina ny fony mba hitantarany izay manjo azy, na dia anamaivanana ny alahelony fotsiny ihany aza. Ny fikobonana irery ny olana mantsy dia mitarika amin'ny fanapahan-kevitra mety hanimba ny fiainana manontolo. Raha tsy mety mizara ny olany mihitsy moa ilay olona, tsara kokoa raha entina manantona ireny psychologue ireny izy. Tsy maintsy manantona hopitaly kosa raha toa ka misy fambara maningotra ny aina. Raha nitelina fanafody na singa tsy fantatra, na ihany koa nandratra ny tenany ilay olona dia mila tsaboina haingana eny amin'ny toeram-pitsaboana. Manatona hopitaly ihany koa raha sempotra, manao "crise", mangovitra na tsy mahateny intsony ilay olona.
Raha mandray zava-mahadomelina mahery vaika ilay namoy fo dia mila mikarakara ny "désintoxication" ny fianakaviana. Ny tena tsara dia manaiky ny hiala amin'ny fahazaran-dratsiny ilay olona. Tsy mora ny fandraisana an-tanana ny olona dépressif. Mila fitiavana, faharetana sy fandaniana ara-bola ny fanatanterahana izany.
Marihana fa tsy azo atao ny manome fanafody fampitoniana (calmant) na fampatoriana (somnifères) raha tsy nisy torohevitry ny mpitsabo. Mety hahatonga fahatapahan'ny lalandrà tampoka izy ireny na olana ara-pahasalamana hafa. Misy fatra tokony hajaina ihany koa ka raha sendra mihoatra dia mahatonga "overdose".

Vahaolana maharitra sy mahasoa

Tsy rehefa misy aretina na olana ihany ny mpianakavy, mpinamana na mpifankatia vao tokony mifanohana. Mba isorohana ireo zavatra tsy ampoizina maro, tsara ny miezaka mifampiresaka hatrany. Ny ray aman-dreny dia tokony manara-maso tsara ny zanany, indrindra moa fa ireo tanora miala sakana. Mila fantarina ny namana sy ny fandaharam-potoana rehetra. Atao kosa nefa izay tsy ahatongavana amin'ny fifehezana be loatra. Raha eo amin'ny mpivady indray dia ilaina hatrany ny fifampizarana izay mavesatra sy izay mahafinaritra. Ampitomboana ny fotoana ifanakalozan'ny mpianakavy hevitra. Maro ankehitriny ireo ray aman-dreny no tsy mahalala ny kilasy misy ny zanany akory noho ny asa be loatra. Misy ihany koa vady tsy mahalala na dia ny toeram-piasan'ny ankilany aza.
Ho an'ny tsirairay kosa, ireto misy torohevitra analavirana ny famoizam-po :
-Mandray ny tranga rehetra amin'ny lafy tsarany, eny fa na dia olana mavesatra sy fahoriana aza ;
-Miezaka manana fanantenana ny amin'ny ampitso sy hoavy mamiratra ;
-Mifantoka amin'ireo tetik'asa tena manavanana sy mampazoto ;
-Matory tsara : adiny 8 isan'alina. Manaja ny ora fatoriana sy fifohazana ;
-Misakafo sy misotro rano tsara. Mihinana legioma sy voankazo betsaka ;
-Manao fanatanjaha-tena sy fialam-boly.
-Mba tsy hanafintohina na hampamoy fo ny hafa, na zanaka, na vady na mpiara-miasa na namana, heverina fa rariny raha sorohina ireto fomba mahazatra ireto :
-Ny mitsaratsara nefa tsy mahafantatra ny tena zava-misy ,
-Ny manambany na manaratsy ny safidy na ny fanapahan-kevitry ny hafa,
-Ny herisetra ara-batana na ara-tsaina, anisan'izany ny fanerena ny hafa hanome na hanao zavatra tsy an-tsitrapo,
-Ny misafidy eo amin'ny toeran'ny hafa, eny fa na anananao aza ny fahefana amin'izany,
-Ny tsy mitsotra raha misy zavatra tiana ambara,
-Ny tsy mamerina izay zavatra na vola nindramina.

Fandraisana an-tanana manokana (ho an'ireo olona tafavoaka tamin'ny état dépressif)

Anisan'ny mahalavo indray ireo efa tafarina ny fihetsiky ny fiaraha-monina. Raha vao fantatra mantsy ny olona iray hoe efa nanandrana namono tena na mpifoka zava-mahadomelina dia latsaina sy ahilika. Ireo olona avy notsaboina dia tokony manana mpikarakara manokana. Tsara raha maka rivotra kely mba anadinoana ireo tranga nanahirana rehetra sy mba hampitony ny fiaraha-monina. Azo atao ihany koa ny maminavina ny fifindra-monina mba tsy hananam-pahavalo intsony. Tsy azo adinoina ny fanampiana ilay olona mba hanana anton'asa mifanaraka amin'ny nofinofiny. Raha mitondra vohoka ohatra ny vehivavy iray nefa nilaozan'ny rain-janany, fadiana ny mamporisika azy hanala zaza, izay mety haningotra ny ainy. Mila tohanana izy mba hahatafita ny fotoana hitondrana vohoka ary hahita asa tsara ikarakarany ny zanany.

Tsy ilaozan'olana ny fiainana an-tany. Na mahantra na manan-karena dia samy mandalo ady mafy avokoa. Mila mivonona amin'ireo sedra maro tsy maintsy atrehina. Raha sanatria tojo olana goavana, tsara ny mizara izany amin'olona akaiky na amin'ny ray aman-dreny ara-panahy.

Lire la suite

Articles Similaires