• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Blackline Safety
Image
Fahasalamana&Sakafo

AVC, fahatapahan'ny lalan-dra mahafaty na mampalemy

04/04/2023 16:20 © Moov.Mg

Nianjera teny an-dalana, fanina tampoka, torana tao am-piasana, miboredika tampoka nefa vory saina, mivaloarika eo am-piresahana ... Anisan'ireo tranga miseho ireo rehefa tratran'ny AVC ny olona iray. Mety mitarika fahafatesana ihany koa izany raha taraiky ny fitsaboana. Inona tokoa ary ireo antony mety mahatonga ny AVC ary inona avy ireo torohevitra ara-pahasalamana azo isorohana izany ?

Inona no atao hoe AVC ?

Ny AVC na Accident Vasculaire Cérébral dia ny fahatapahana lalan-drà ao amin’ny loha. Misy karazany roa ny AVC. Ao ny fahatapahan’ny lalan-drà vokatry ny fahatsetsenan’izany, na ilay antsoina hoe « AVC Ischémique », ary kosa ny fahatapahan’ny lalan-drà vokatry ny fahavakisan’izany na ny « AVC Hemorragique ». Tampoka ny fitrangan’ny AVC ary samy mety hisehoan’izany avokoa na ny lahy na ny vavy, na ny tanora na ny olon-dehibe.

Miseho amin’ny endrika maro ny AVC, toy ny hoe tsy fahatsapana na tsy fahafahana mibaiko ny ilam-batana na ny ratsam-batana, fahalemena amin’ny faritra sasany, fahasarotana amin’ny fitenenana, sns. Mety hiteraka voka-dratsy goavana eo amin’ny vatan’olombelona ny AVC, arakaraky ny karazany sy ny faritra voakasiky ny AVC ao amin’ny atidoha. Mitarika fahasembana ara-batana mandalo na maharitra mihitsy moa izany indraindray.

Inona ny mahatonga ny AVC ?

Samy manana ny mahatonga azy ireo karazana AVC. Ny fisiana vongan-drà avy amin’ny fo, izay lasa manentsina ny lalan-drà any amin’ny atidoha no anisan’ny fototry ny AVC Ischémique. Ireo olona manao « gros cœur » matetika no tratry izany. Mety ho nihanatevina ihany koa anefa ny rindrin’ny lalan-drà, dia lasa niha-tery, ka mora tsentsina. Misy ihany koa ireo « facteurs de risques » mitarika ny fahateren’ny lalan-drà, toy ny diabeta, ny fiakaran’ny tosi-drà, ny cholestérol ary ny tavy diso tafahoatra.

Tosiky ny rà mafy loatra ataon’ny fo ka nahavaky ny rindrin’ny lalan-drà no mitarika ny AVC Hemorragique. Mety hahafaty ity AVC ity raha be loatra sy haingana loatra ny fivoahan’ny rà miparitaka anatin’ny ati-doha. Raha kelikely kosa dia mety hampalemy.

Ireo torohevitra ara-pahasalamana azo isorohana ny AVC

Ny fanamboarana ny fomba-fiaina amin’ny andavanandro no fomba iray voalohany hisorohana ny AVC. Atomboka amin’ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana izany. Izany hoe, ny voankazo sy ny legioma no atao betsaka. Ahena ny fihinana hena mena, ary indrindra ireo sakafo matavy sy ireo sakafo voahodina. Marihina fa ny menaka sy ny tavy avy amin’ny sakafo no mampitombo ny cholestérol sy mampiakatra ny tosi-drà.

Ajanona ihany koa ny fifohana sigara ary ahena na atsahatra ny fisotroana toaka sy kafe. Mampikorontana ny tosi-drà ary manimba ny fahasalaman’ny lalan-drà ireto farany. Tsy adinoina ihany koa ny fisotroana rano betsaka ary ny fampiasana tsara ny vatana isan’andro. Ny fandehanana tongotra 30 minitra isan’andro dia efa ampy raha toa ka tsy afaka manao fanatanjahantena.

Inona no tokony atao raha misy olona manao AVC ?

Raha mitranga ny iray na maromaro amin’ireo fambara ny AVC dia mila miantso mpitsabo faran’izay haingana. Atsotra moramora ilay olona marary ary rakofana lamba maivana mandra-piandry ny mpitsabo na ny ambulance. Raha mety dia raisina an-tsoratra ny fotoana nanaovany ilay AVC sy ireo fambara nitranga. Fadiana ny manome rano, sakafo na fanafody azy.

Lire la suite

Articles Similaires