• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Comprendre L'Autisme
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Autisme » : mbola vitsy ny fandraisan-tanana ireo ankizy autistes eto Madagasikara

03/04/2023 13:19 © Moov.Mg

Ankalazaina isan-taona, ny fiandohan’ny volana aprily, ny Andro maneran-tany ho fampafantarana ny autisme. Mbola vitsy ny mahafantatra ity toe-tena ity raha ny eto Madagasikara. Maro ireo manafangaro izany amin’ny aretin-tsaina, ka matetika voahilikilika eo amin’ny fiaraha-monina ny zaza « autistes ». Andeha ary ho resahina eto ny atao hoe autisme sy ny fandraisan-tanana ireo ankizy « autistes » eto amintsika.

Inona ary no atao hoe autisme ?

Ny autisme dia toe-tena mitarika tsy fahatomombanana amin’ny fivoarana ara-tsaina sy ara-pifandraisana eo amin’ny olona iray. Tsy aretina noho izany ny autisme fa fahasembanana voarakitry ny « Trouble du Spectre de l’Autisme (TSA) ». Toe-tena hatrany am-bohoka ny autisme ary hita taratra eo amin’ny faha 3 taona ny ankizy ireo fambara voalohany ahafantarana azy. Manana fomba fijery ny tontolo samihafa amin’ireo olona tsotra ny olona autiste. Ny TSA dia misy fiantraikany amin’ny fivoaran’ny zaza amin’ny lafin-javatra maro vokatry ny tsy fahatomombanana eo amin’ny atidoha. Anisan’izany ny fahasarotan’ny fifandraisana amin’ny hafa, ny fomba fihetsika, ny fahaiza-miteny… Tsy fantatra mazava hatreto ny antony mahatonga ny autisme ary mbola tsy nahitana fitsaboana manasitrana tanteraka izany.

Ankizy autistes : mbola voahilikilika eo amin’ny fiaraha-monina malagasy

Araka ny voalaza etsy ambony dia mbola vitsy mpahafantatra ny atao hoa autisme eto Madagasikara. Tsy mahagaga noho izany raha voahilikilika eo amin’ny fiaraha-monina ny zaza autistes. Anisan’ny toerana ahitana izany fanilihana izany eny amin’ny toeram-pianarana. Ny zaza autistes matetika dia sarotra mandray fampianarana, manana fahasahiranana amin’ny fitenenana sy amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Indraindray mampiseho fihetsika mahery setra amin’ny ankizy hafa izy ireny noho ireo tsy fahatomombana ara-tsaina misy aminy. Noho izany dia maro ireo fianarana no tsy mandray ankizy autistes noho ny tsy fananany trai-kefa ilaina amin’ny fanabeazana azy ireny. Mbola sarotra amin’ireo ankizy malagasy autistes ny misitraka ny zon’izy ireo noho ny fanilikiliana mahazo azy eny amin’ny fiaraha-monina eny.

Fandraisan-tanana ny ankizy autistes eto Madagasikara

Tsy mbola misy ny fanafody sy fitsaboana ahafana manasitrana ny autisme. Misy kosa anefa ireo fomba fanabeazana sy fandraisan-tanana ahafahana miasa amin’ireo fambara ny toe-tena autiste. Efa misy ankehitriny ireo mpitsabo mana-traikefa manokana amin’ny fanarahana ny ankizy autistes mba tsy hiombon’ny fahasembanan’ireto farany. Mbola vitsy dia vitsy anefa izy ireny ary mbola lafo tokoa ny saran’ny fitsaboana. Misy ihany koa etsy andaniny ireo fikambanana mandray an-tanana ireo zaza autistes, toy ny « Autisme Madagascar ». Ity farany moa dia fikambanana an-tsitrapo izay manampy, manoro ary manohana ireo ray aman-dreny manan-janaka autistes eto Madagasikara. Asa iray lehibe iandreketan’ny Autisme Madagascar ihany koa ny fanabeazana ny ankizy autistes sy fampahafantarana ny autisme manerana ny nosy mba hiarovana ny zon’izy ireo, indrindra amin’ny lafiny fampianarana.

Lire la suite

Articles Similaires