• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisine Et Cuisson Simplement Délicieuses |De Nouvelles Recettes Chaque Jour
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fandevonan-kanina : ireo fomba tsotra sy natoraly tena mandaitra

31/03/2023 00:00 © Moov.Mg

Rehefa misakafo betsaka loatra na mihinana sakafo mavesatra dia matetika isika tsy mahalevon-kanina. Mahatsiaro tena tsy mahazo aina, teritery na mavaivay ao amin’ny am-bava-fo, mavesatra ny vavony, indraindray mety misalebolebo. Raha tojo izany ianao dia ireto manaraka ireto misy fomba fandevonan-kanina tsotra sy natoraly afaka hatao.

Dite, manampy betsaka amin’ny fandevonan-kanina

Anisan’ny fandevonan-kanina tena mandaitra ny fisotroana dite rehefa misakafo. Maro ireo karazana zava-maniry fanaovana dite no manampy betsaka amin’ny fandevonana sakafo mavesatra sy fanamaivamaivanana ny vavony. Raha toa ianao ka anisan’ireny olona mora tsy mahalevon-kanina ireny dia andramo ny misotro dite sakamalaho. Tetehina manify ny sakamalaho ary arotsaka ao anaty rano mangotraka. Avela hitanika kely 3 minitra dia esorina eo ambony afo. Sotroina ao aorian’ny sakafo mba ahamora ny fandevonan-kanina. Ny dite camomille ihany dia azo ampiasaina mba hisorohana ny kibo mangotika rehefa avy mihinana sakafo mavesatra sy matsiro be loatra.

Karibonetra, mampitony ny vavony sy misoroka ny tsy fahalevonan-kanina

Akora iray tena mahomby amin’ny fandevonan-kanina amin’ny fomba natoraly ny karibonetra. Mampitony ny vavony mavaivay sy ny kibo mangotika noho ny fahalevonan-kanina ity farany. Tsotra ny fampiasana azy. Arotsaka ao anaty rano iray kaopy ny karibonetra iray sotrokely ary aroroina tsara. Sotroina antsasa-kadiny ao alohan’ny sakafo isorohana ny tsy fahalevonan-kanina. Azo sotroiny adiny roa ao aorian’ny sakafo ihany koa raha matahoatra ny tsy halevon-kaninana. Marihana kosa anefa fa tsy mety amin’ny olona manana tosi-drà ambony na manana aretin’ny voa ny fisotroana ity rano misy karibonetra ity.

Mihinana sakafo voalanjalanja hisorohana ny tsy fahalevonan-kanina

Sarotra ny tsy hihinana sakafo matsiro rehefa andro fety na rehefa alahady. Mila ahena kosa anefa ny fihinanana sakafo mavesatra sy ireo zavatra manaitaitra rehefa amin’ny andavanandro. Anisan’izany ny fanenana ny fisotroana toaka, ny kafe sy ireo sakafo be menaka, mamy loatra na misy épices be loatra. Mampikorontana ny fandevonan-kanina sy mankarary vavony ihany koa izy ireny, indrindra raha atao be loatra. Tsy hadinoina ny misotro rano tsara sy ny fanaovana fanatanjahantena mba hahamora hatrany ny fandevonan-kanina.

Lire la suite

Articles Similaires