• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naturally Curly
Image
Fahasalamana&Sakafo

Volo miolakolana na « curly » : ireo fikarakarana sy dingana atao

30/03/2023 16:37 © Moov.Mg

Lamaody tokoa ankehitriny ny volo miolakolana na curly. Sady mahafinaritra jerena no tsy manimba volo izy ireny noho izy tsy ampiasana fitaovana misy hafanana. Maniry ny hanana volo curly ve ianao ? Ireto manaraka ireto ary ireo fikarakarana sy dingana hahazoana volo miolakolana tsara.

Dingana voalohany : ny fanaovana bain d’huile

Mitaky sakafo mampalandina azy kokoa ny volo miolakolana voajanahary noho ny volo tsotra. Dingana voalohany mila atao amin’ny fikarakarana azy noho izany ny fanaovana bain d’huile. Izany hoe vontosana menaka ny volo sy ny hodi-doho. Arahina fanorana kely 5 na 10 minitra eo ary avela hilona ora iray fara fahakeliny ilay menaka. Anisan’ny bain d’huile mety amin’ny volo curly ny huile de fenugrec afangaro amin’ny huile d’olive.

Dingana faharoa : ny fanasana volo

Rehefa avy nilona tsara ny volo dia sasana. Raha te hampiasa shampoing ianao dia tsara raha shampoing doux tsy misy sulfate no ampiasaina rehefa manao volo curly. Miaro azy amin’ny fahamainana be loatra izany. Mety ihany koa ny mampiasa savony nosy na savony gasy, ilay miloko mainty.

Dingana fahatelo : ny fanaovana masque

Mila sakafo sy rano betsaka ny volo miolakolana. Ny fanaovana masque no mitondra izany amin’ny volo. Efa misy ireo karazana masques natao ho amin’izany hita eny amin’ny mpivarotra produits hoan’ny volo. Mila fadiana kosa ireo misy silicone sy paraben. Azo atao ihany koa ny mampiasa voakanzo sy akora fampiasa andakozia hikarakarana masque. Ny zavoka sy ny tamenaka atody dia anisan’ireo akora mety amin’ny volo curly. Avela hilona 30 minitra dia kobanina. Afaka harahina après shampoing ny masque raha tianao fa tsy voatery anefa izany.

Dingana fahefatra : ny fampiasana leave in

Ny leave in dia ilay soin tsy mila kobanina (sans rinçage) manamandimandina ny volo sy mitazona azy mba tsy hibontsina rehefa maina. Maro ireo soin leave in azo ampiasaina toy ny gel vahona, gel de lin, gel d’hibiscus izay anisan’ireo vokatra voajanahary efa betsaka mivarotra eto Madagasikara. Misy ihany koa ireo leave in tonga dia vonona izay miendrika crème. Tandremana tsara mba ho leave in tsy misy paraben sy silicone no vidiana.

Dingana fahadimy : ny fanaovana ny scellage

Ny fanaovana scellage no dingana fahadimy amin’ny fikarakarana volo miolakolana na curly. Ny scellage dia menaka maivana manampy ilay leave in mba hitazona ny hamandoana amin’ny volo. Mila jerena tsara ny menaka mety sy tian’ny karazam-bolonao. Tsy atao mavesatra be intsony mba tsy hifotetaka be loatra ilay volo. Misy ireo karazam-bolo tonga dia miolakolana avy hatrany fa misy ihany koa ireo mila manao « méthode », izany hoe fomba fanolanana ny volo ho curly. Afaka mijery ireny tuto ao amin’ny Facebook na Youtube ireny ijerana ireo karazana « méthodes » mandaitra.

Lire la suite

Articles Similaires