• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Heart Failure Matters
Image
Fahasalamana&Sakafo

Torohevitra fikolokoloana ny fahasalaman’ny fo

14/02/2023 15:08 © Moov.Mg

Amin’izao fetin’ny mpifankatia izao dia andao resahana manokana ny fikolokoloana ny fo. Ilaina izany mba hisorohana ny aretina mpahazo io taova iray io ary koa hanatsarana ny fiasany.

Manaova fanatanjahantena

Ny fo dia hozatra. Ilaina betsaka amin’ny fikolokoloana azy noho izany ny fanaovana fanatanjahantena. Miasa tsara io taova io rehefa ampy kotrana ianao. Fanatanjahantena mampietsika ny vatana rehetra ary mitaky herim-batana mafimafy no tsara atao. Ny azakazaka, ny lomano, ny dia an-tongotra, ny miakatra sy midina amin’ny tohatra… Maro ny kotrana azo atao. Manampy amin’ny fisorohana ny fijanonan’ny fo tampoka sy ny fikoloina azy ny fampiasana vatana mandritra ny 30 minitra isan’andro.

Amboary ny fomba fisakafoana

Fomba iray entina mikolo sy mikajy ny fahasalaman’ny fo ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Manampy amin’ny fitazomana lanja antonony, ary mampihena raha ilaina, ny fihinanana sakafo voalanjalanja. Mampiena ny tahan’ny cholestérol ary misoroka ny diabeta ihany koa izany. Ny sakafo be otrikaina toy ny trondro, ny atody, ny ronono, ny legioma ary ny voankazo no ilaina indrindra. Miasa tsara ary voaaro ny fo rehefa ampy tsara ny otrikaina ilain’ny vatana. Mila ajanona na ahena kosa ireo sakafo sokajiana ho tsy mahasalama ny fo, toy ny siramamy, menaka azo avy amin’ny biby, hena mena, zava-pisotro misy fangaro simika…

Karakarao tsara ny nify

Maro amintsika no tsy mahafantatra fa miteraka aretin’ny fo ny tsy fikarakarana tsara ny nify. Voaporofo ara-tsiansa fa miteraka fiforonana lio mandry ny fahasimban’ny nify. Io lio mandry io dia mitarika aretin’ny fo. Noho izany, diovina sy kajina tsara ny nify rehefa izy mbola salama. Entina any amin’ny mpitsabo nify simba mba amboarina na esorina raha ilaina.

Lire la suite

Articles Similaires