• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pixabay
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikafika natoraly mampalandina ny hoditra rehefa mangatsika ny andro

10/02/2023 11:40 © Moov.Mg

Rehefa manakaiky toy izao ny ririnina dia efa mitady hevitra sahady isika hiarovana ny hoditra tsy ho maina be noho ny hatsiaka. Tsy te hampiasa vokatra lafovidy sy misy hakora simika ve ianao hanamandinana ny hoditrao ? Araho ary ireto fikafika manaraka ireto.

Mahereza misotro rano

Ny fisotroana rano amin’ny fatrany antonony isan’andro dia manampy betsaka amin’ny fanomezana rano sy ny fanamandinana ny hoditra. Ilaina noho izany ny misotro rano 1,5 litatra farafahakeliny isan’andro. Raha tsy dia mampazoto anao ny misotro rano tsotra dia afaka soloina dite izany. Tandremo kosa anefa ny fampiasana siramamy be loatra noho ity farany miteraka fikorontanan’ny fahasalaman’ny hoditra.

Mihinàna voakanzo sy legioma betsaka

Manampy betsaka amin’ny fanamandinana ny hoditra ny faherezana mihinana voakanzo sy legioma. Izy ireny mantsy dia mitahiry rano betsaka ary mampitombo ny rano anaty vatana. Tsara kokoa ny fihinana azy ireny tsy handraoina. Voatazona daholo ny rano sy otrikain’aina ananan’izy ireo rehefa izy hoanina manta iny. Ny voatabia, voasary, pastèque ary ny concombre no tena mila hoanina matetika mba hahamandina ny hoditra, indrindra rehefa ririnina.

Mampiasa ireo menaka zavamaniry manamandina hoditra

Mila karakaraina ny hoditra mba hiarovana azy amin’ny fahamainana ateraky ny hatsiaka. Maro ireo menaka zavamaniry natoraly afaka ampiasaina hanamandinana ny hoditra. Ny menaka oliva no anisan’ny tena mandaitra noho izy manome sakafo ny hoditra no sady miaro amin’ny fahanteran’ny sela. Ny menaka voanio ihany koa dia afaka ampiasaina hampamandina ny hoditra. Manadio, manalefaka ary mampitony ny hoditra ihany koa io karazana menaka io. Mitovy ny fampiasana azy ireo. Asiana kely aminy felatanana ary ahosotra manify amin’ny hoditra rehefa alohan’ny hatory. Afaka atao in-3 na in-4 isan-kerinandro.

Lire la suite

Articles Similaires