• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ilestencoretemps.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fofon-kelika : ireo torohevitra natoraly hanesorana izany

13/02/2023 10:07 © Moov.Mg

Sady mahamenatra no manelingelina ny manodidina ny fofon-kelika. Efa mampiasa ireny déodorant na alamo ireny ve ianao nefa tsy mety afaka ny fofon-katsembohana ? Ireto ary misy torohevitra natoraly hanampy anao hanala ny fofon-kelika ratsy.

Manao madio tsara

Ny fidiovana tsara no fomba voalohany hisorohana ny fofon-kelika ratsy. Mila manasa helika tsara amin’ny savony, in-droa isan’andro, mba hanalana ny hatsembohana miteraka fofona ratsy. Ezaho kosehina tsara eo amin’ny faritry ny helika sy ny manodidina azy. Kobano tsara amin’ny rano madio ny helika rehefa avy miosotra savony. Rehefa vita izany dia hamaino amin’ny lamba na serviette madio. Ezaho ihany koa ny misolo akanjo isan’andro mba tsy hifindran’ny fofon-katsembohana teo aloha amin’ny vatanao efa nidio tsara.

Mampiasà ireo fikafika natoraly miady amin’ny fofona ratsy

Tsy voatery hividy déodorant lafo vidy mba hisorohana ny fofon-kelika. Maro ireo akora natoraly sy afaka jifain'ny rehetra izay tena mahomby. Anisan'izany ny:

Ny karibonetra

Raha toa ianao ka olona mora tsemboka dia hanampy betsaka anao ny karibonetra. Mampiena ny hatsembohana sy misoroka ny fofona ratsy io akora io. Fafao ho maina tsara ny helika rehefa ianao avy mandro alohan’ny atory iny. Manarak’izay, hosory eo amin’ny helika ny vovoka karibonetra maina. Rehefa maraina vao kobanina sy miverina misasa indray. Ataovy isan’andro io torohevitra io fa ho hitanao fa ho afaka ny fofon-kelika ratsy.

Ny voasary makirana

Ny voasary makirana dia anisan’ny déodorant natoraly tena mandaitra. Manampy amin’ny fanenana ny hatsembohan’ny helika izy io ary miady ihany koa amin’ny fofona ratsy. Sasana tsara ny helika ary hamainina amin’ny lamba madio. Avy eo, kosehina amin’ny voasary makirana eo amin’ny faritry ny helika rehetra. Afaka atao maraina sy hariva alohan’ny hatory. Ampiasao isan’andro mba hisorohana tanteraka ny fofon-katsembohana ratsy.

Lire la suite

Articles Similaires