• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Trustmyscience
Image
Fahasalamana&Sakafo

Te hiala sigara : Inona avy ireo tokony atao ?

11/02/2023 06:55 © Moov.Mg

Ny fifohana sigara dia sady manimba fahasalamana no mandany vola. Amin’ny maha zava-mahadomelina miteraka fiankinan-doha azy anefa dia tsy mora ny miala aminy.

Firifiry ireo olona nanandrana niala sigara nefa tsy nahavita izany. Maro koa anefa ny ireo efa tafiala tanteraka amin’io fahazaran-dratsy io. Maniry ny hiala amin’ny sigara ve ianao nefa tsy hainao ny fomba atao hahavitana izany ? Ireto ary misy torohevitra mahomby afaka hanampy anao.

Farito mazava ireo antony manosika anao hiala sigara

Amin’ny maha fahazarana ny fifohana sigara dia mila amboarinao ny sainao mba havitanao anao hiala amin’izany. Farito mazava ary ireo antony mandrisika anao hiala sigara. Hanampy betsaka anao izany hahatratraranao ny tanjonao. Makà fotoana iray hieritreretanao ireo antony manosika anao hijanona sigara : aretina, fandanim-bola, fiankinan-doha… Ataovy lisitra anaty taratasy na kahie iray izany. Rehefa ianao ilay te hifoka sigara mafy iny dia vakio io lisitra io. Ho hitanao fa ho mora kokoa ho anao ny hanohitra ny faniriana te hifoka.

Misafidiana fomba iray hijanonana sigara

Maro ireo fomba afaka hanampy anao amin’ny fialana sigara. Anisan’izany ny fialana tsikelikely amin’ny alalan’ny fampiasana ireo vokatra asolo ny nicotine. Ahitana azy ireny eny amin’ny farmasia. Afaka ataonao ihany koa ny manantona mpitsabo manam-pahaizana manokana momban’ny fialana sigara. Izy io no manome torohevitra sy fanafody manamora kokoa ny fialanao sigara. Raha tsy te hiala vola enao na tsapanao fa vitanao ny hiala io fahazaran-dratsy io irery dia afaka tonga dia hajanonao izany. Ny ankamaroan’ireo olona tafiala sigara dia nijanona tampoka, tsy niala tsikelikely ary tsy nampiasa vokatra asolo ny nicotine.

Ovay ny fahazarana mifampiankina amin’ny sigara

Ny fifohana sigara dia fahazarana iray mitarika sy mifampiankina amin’ny fahazarana hafa. Raha fanaonao taloha ny mifoka sigara rehefa misotro kafe maraina dia mila ovainao izany fahazarana izany. Andramo ohatra ny tsy misotro kafe fa dite indray, na koa hoe ovaina mofo ilay sigara miaraka aminy kafe. Raha zatra mifoka sigara ianao rehefa avy misakafo dia ezaho soloina zavatra hafa ilay sigara, ohatra hoe vatomamy na misotro rano.

Lire la suite

Articles Similaires