Cyclone 2023 : Ny hevitr'ireo LOKO FILAZANA LOZA AMIN'NY RIVODOZA eto Madagasikara
Amin’ny fotoana hiatrehana ny rivodoza dia misy hatrany ny faritra mahazo ny filazana fampitandremana ary sokajiana amin’ny alalan’ny loko izany.
Loko Mena : Loza mitatao ( Avis de Danger imminent)
TSY MAHAZO MIVOAKA NY TRANO INTSONY !
Efa tena akaiky na mahakasika ny faritra misy anao ny rivo-doza. Araho tsy tapaka ny vaovao. Tsara raha tsy mampiasa fitaovana mandeha amin'ny herinaratra.
Loko Mavo : Loza manambana (Avis de menace)
MIOMANA !
Mihabetsaka ny orana ary mihamafy ny tafio-drivotra. Hahazo ny distrika misy anao ny rivo-doza afaka andro vitsy. Manangona sakafo sy rano fisotro madio. Hamafiso ny tafo sy ny hidin-trano.
Loko Maitso : Loza fanairana (Avis d'Avertissement)
MITANDREMA !
Misy rivodoza mety ahazo ny faritra misy anao. Mahery ny ranomasina ka mety arahina orambe mikija sy rivotra mahery izany.
Loko Manga : Aorian'ny loza (Alerte levée)
MBOLA TSY MAHAZO MIANDRIAKA !
Mety efa mitsahatra ny orana saingy mbola misamboaravoara ny ranomasina. Tandremo fa mety hiverina tampoka ny rivodoza.