Fihenan-danja tsy niniana : ireo aretina mety ho ambadik’izany
Misy olona sasany mety ho faly amin’ny voalohany rehefa mihena ho azy nefa tsy nanao « régime » na nampitombo fanatanjahantena. Ny fahaverezan-danja tsy nahy sy tsy misy antony mazava nefa, indrindra raha mitohy, dia mety ho famantarana olana ara-pahasalamana. Marina fa tsy voatery ho fambaran’aretina foana moa izany, efa kosa tsy tokony atao tsirambina raha mitranga. Fa inona avy àry ireo aretina mety mampihena lanja tsy nahy?
Maninona no mety hihena ny lanja nefa tsy manao « régime »?
Mihena ny lanjan’ny olona rehefa kely kokoa noho ny angovo lanian’ny vatana ny angovo azony. Mety hitranga izany na dia tsy manao « régime » aza.
Ny aretina sasany, ohatra, dia mety hampihena ny fahazotoan-komana, hampitombo ny filàn’ny vatana angovo na hanakana ny vatana tsy handray tsara ireo otrikaina avy amin’ny sakafo.
Ny adin-tsaina mafy, ny fanafody sasany ary ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainana dia mety hiteraka fihenan-danja ihany koa. Raha be loatra na maharitra kosa izany, na miaraka amin’ny soritr’aretina hafa, dia tsara ny manatona mpitsabo. Ireto manaraka ireto ny santionany amin’ireo aretina mety hampihena lanja.
Ny « hyperthyroïdie »
Ny « hyperthyroïdie » dia toe-pahasalamana izay mahatonga ny fihary tiroida (glandes thyroïdes) hamokatra hormonina tiroida be loatra. Mampandeha haingana kokoa ny metabolisman’ny vatana izany, ka mety hihena ny lanja na dia mbola mazoto misakafo aza ilay olona. Indraindray aza mitombo ny fahazotoan-komana nefa tsy mitombo ny lanja.
Mety hisy soritr’aretina hafa ihany koa, toy ny fitempon’ny fo haingana, hatsembohana be loatra, fahakizitinana, fangovitana, fikorontanan’ny torimaso, havizanana na tsy fahazakana hafanana. Ny fitiliana rà moa matetika no hahafahana mamantatra azy io.
Ny diabeta
Ny fihenan-danja tsy fantatra ny antony dia isan’ireo famantarana ny diabeta, indrindra rehefa mbola tsy voamarina ilay aretina na rehefa tena avo loatra ny tahan’ny siramamy ao amin’ny rà.
Rehefa tsy ampy ny « insuline » na tsy ampiasain’ny vatana araka ny tokony ho izy, dia tsy afaka mampiasa tsara ny « glucose » ny sela. Noho izany dia mety hampiasa ireo tahirin’angovo ao amin’ny vatana izy ka hiteraka ny fihenan-danja.
Anisan’ireo soritr’aretina hafa mety hiseho ny hetaheta tafahoatra, ny fipipizana matetika, ny havizanana tsy mahazatra na ny fitombon’ny fahazotoan-komana.
Ny aretin’ny taovam-pandevonan-kanina
Mety hiteraka fihenan-danja ihany koa ny aretin’ny taovam-pandevonan-kanina sasany izay manelingelina ny fandraisan’ny vatana otrikaina na miteraka olana amin’ny fihinanana. Anisan’izany ny aretin’ny tsinay mitaiza sasany, ny « maladie de cœliaque » sy ny aretina sasany mahazo ny sarakaty.
Mety hisy soritr’aretina hafa miseho toy ny fivalanana maharitra, fanaintainan’ny kibo, « ballonnements » na fiovana tsy mahazatra amin’ny fivalanana.
Ny homamiadana sasany
Mety hifandray amin’ny homamiadana sasany ihany koa ny fihenan-danja tsy nahy. Misy amin’ireo homamiadana no mitarika falain-komana, fiovan’ny fomba fiasan’ny metabolisma na fiantraikany hafa amin’ny vatana.
Marihana nefa fa tsy midika avy hatrany hoe voan’ny homamiadana ny olona iray raha mihena ny lanjany. Misy antony maro hafa mety mahatonga izany, ary matetika aza tsy dia mampidi-doza. Tsara hatrany nefa ny manatona mpitsabo sy manao fitiliana raha lehibe sy tsy fantatra antony ny fihenan-danja.
Ny areti-mifindra maharitra
Mety hiteraka fihenan-danja tsikelikely ny areti-mifindra sasany izay maharitra ela. Mandany angovo bebe kokoa ny vatana rehefa miady amin’ny aretina ary mety hihena koa ny fahazotoan-komana.
Raha miaraka amin’ny tazo maharitra, hatsembohana be amin’ny alina, havizanana mafy, kohaka maharitra na soritr’aretina tsy mahazatra hafa ny fihenan-danja, dia tsara ny manatona mpitsabo.
Ny aretin’ny voa na ny fo
Mety hisy fiantraikany amin’ny lanjan’ny olona ihany koa ny aretina mitaiza sasany, anisan’izany ny aretin’ny voa na ny aretim-po, indrindra rehefa efa maharitra ela ilay aretina.
Ny havizanana, ny falain-komana, ny fiovan’ny metabolisma ary indraindray ny famerana ara-tsakafo dia samy handray anjara amin’ny fihenan-danja.
Ny fahaketrahana sy ny olana ara-tsaina sasany
Mety hisy fiantraikany amin’ny lanja ihany koa ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fahaketrahana, ny rarintsaina mafy na ny olana amin’ny tebiteby sasany dia mety hampihena ny fahazotoan-komana ka hiteraka fihenan-danja.
Misy kosa nefa ny olona sasany no vao maika mitombo lanja sy misakafo be loatra rehefa miatrika ireo olana ireo. Samy hafa arakaraky ny olona tsirairay ny fiantraikan’izany.
Raha miaraka amin’ny alahelo maharitra, tsy fahalianana amin’ireo zavatra nahafinaritra taloha, olana amin’ny torimaso na fitokana-monina ny fihenan-danja, dia tsara ny mitady fanampiana amin’ny mpitsabo na matihanina amin’ny fahasalamana ara-tsaina.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Mila tandremana manokana ny fihenan-danja tsy nahy rehefa be loatra, haingana na mitohy nefa tsy fantatra ny antony.
Tsara ny manatona mpitsabo raha miaraka amin’ireto soritr’aretina ireto ny fihenan-danja:
-havizanana be;
-tazo maharitra;
-fivalanana na fandoavana miverimberina;
-fanaintainana tsy mahazatra;
-hetaheta tafahoatra sy fipipizana matetika;
-fitempon’ny fo haingana na fangovitana;
-falain-komana;
-hatsembohana be amin’ny alina;
-fahasarotana mitelina;
-fiovana maharitra eo amin’ny fandevonan-kanina.




