Kohaka maharitra : rahoviana no tokony hampanahy ?
Ny kohaka dia fihetsika voajanahary ataon’ny vatana mba hanadiovana ny lalan-drivotra amin’ireo vovoka, mikraoba na tsiranoka ao amin’ny taovam-pisefoana. Matetika izy io dia miseho rehefa voan’ny sery, gripa na aretin’ny taovam-pisefoana ary misinda ho azy afaka andro na herinandro vitsivitsy. Raha maharitra ela kosa ny kohaka dia mety ho famantarana olana ara-pahasalamana iray ka mila jerena akaiky. Rahoviana àry no tokony hampanahy ny kohaka ?
Inona no atao hoe kohaka maharitra ?
Mizara ho sokajy telo ny kohaka araka ny faharetany :
-Kohaka tampoka (aiguë) : maharitra latsaky ny 3 herinandro ary matetika vokatry ny sery, gripa na aretin’ny taovam-pisefoana.
-Kohaka antonony faharetana (subaiguë) : maharitra eo anelanelan’ny 3 ka hatramin’ny 8 herinandro, matetika mbola tavela aorian’ny aretina iray.
-Kohaka mitaiza (chronique) : maharitra mihoatra ny 8 herinandro amin’ny olon-dehibe (mihoatra ny 4 herinandro amin’ny ankizy).
Marina fa tsy voatery midika aretina lehibe ny kohaka maharitra, saingy tsy tokony atao tsirambina nefa izany.
Inona avy no mety mahatonga ny kohaka maharitra?
Maro ny antony mety hahatonga ny kohaka tsy mety afaka.
-Sohika (asthme) : Amin’ny olona sasany, ny kohaka no famantarana lehibe indrindra ny sohika, na dia tsy misy feo mikiririoka aza rehefa miaina. Matetika izy io amin’ny alina, rehefa manao ezaka ara-batana na rehefa tratran’ny zavatra mampihetsika « allergies », no miseho.
-« Allergies » : Ny vovobony (pollen), ny vovoka ao an-trano, ny volon-biby na ny holatra dia mety hampisy « irritation » ny lalan-drivotra ka miteraka kohaka maharitra.
-Fiakaran’ny asidra avy amin’ny vavony (reflux gastro-œsophagien) : Rehefa miakatra mankany amin’ny lalan-kanina ny asidra avy ao amin’ny vavony dia mety hampisy « irritation » ny tenda ka hiteraka koha-maina, indrindra amin’ny alina na aorian’ny sakafo.
-Fifohana sigara : Matetika ny mpifoka sigara dia mikohaka maharitra noho ny « irrition » ny lalan-drivotra ateraky ny setro-tsigara.
-« Bronchite » mitaiza na BPCO : Ny kohoka maharitra sady miaraka amin’ny lelo eo amin’ny olona mpifoka sigara na efa tratran’ny loto sy akora manelingelina ny taovam-pisefoana nandrintra ny fotoana ela dia mety manondro « bronchite » mitaiza na aretin’ny havokavoka antsoina hoe BPCO.
-Fanafody sasany : Misy fanafody sasany ampiasaina hitsaboana ny tosidrà ambony (indrindra ireo antsoina hoe IEC) izay mety hiteraka koha-maina maharitra.
-Aretin’ny taovam-pisefoana tsy mbola sitrana tanteraka : Rehefa avy voan’ny gripa, « bronchite » na aretina vokatry ny viriosy sasany dia mety mbola haharitra herinandro maromaro ny kohaka na dia efa sitrana aza ilay aretina.
Ireo famantarana tokony hampitandrina
Mila manatona mpitsabo haingana raha miaraka amin’ireto soritr’aretina manaraka ireto ny kohaka :
-tazo mafy tsy mety midina ;
-fahasemporana na fahasarotana miaina amin’ny orona ;
-fanaintainana ao amin’ny tratra ;
-rehoka misy rà rehefa mikohaka ;
-fihenan-danja tsy fantatra antony ;
-hatsembohana be amin’ny alina ;
-havizanana tafahoatra na miharatsy hatrany ;
-feo miova na manjary mikentrona maharitra herinandro maromaro.
Ireo famantarana ireo dia mety hifandray amin’ny aretina mafy amin’ny taovam-pisefoana ka mila fitsaboana haingana.
Ireo famantarana mila fitandremana manokana eo amin’ny ankizy
Amin’ny ankizy, tokony hojerena manokana ny kohaka raha :
-maharitra mihoatra ny 4 herinandro ;
-misy fahasarotana amin’ny fifohana rivotra ;
-miteraka fandoavana matetika ;
-nanomboka taorian’ny fangejana na fitelemana zavatra ka nahatonga fahasemporana ;
-manelingelina ny torimaso na ny fihinanana.
Ny zaza madinika dia tokony hoentina any amin’ny mpitsabo haingana raha misy kohaka miaraka amin’ny fofonaina haingana, tsy mety minono na lasa mangana ny molotra.




