• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence De La République De Madagascar
Image
Asa & Fianarana

Ireo lafin-javatra mila heverina rehefa mitady sekoly ho an’ny zanaka

15/07/2024 10:29 © Moov.Mg

Marina fa mbola vao nanomboka tsy ela izay ny fialan-tsasatra lehibe. Fotoana sahady kosa nefa izao hikarakarana ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao. Ho an’ireo ray aman-dreny mbola mikaroka ny toeram-pianarana ho an’ny zanany dia resahana eto ireo lafin-javatra mila heverina rehefa hisafidy ny sekoly ho azy ireny.

Ny toerana misy ny sekoly

Isan’ireo lafin-javatra lehibe mila heverina rehefa misafidy toeram-pianarana ho an’ny zanaka ny toerana misy ny sekoly. Mila dinihina tsara ny alavirana ny toerana sy ny faharetan’ny dia rehefa handeha hianatra sy rehefa hody izy ireny. Raha lavitra loatra tokoa mantsy ny sekoly dia voatery hifoha maraina be sy ho tafody hariva be ilay mpianatra. Mety hamizaka azy ireo izany ka hisy fiantraikany amin’ny fifantohany rehefa mianatra.

Ny fitaterana

Toy ny halaviran’ny sekoly dia mila dinihina ihany koa ny mikasika ny fitaterana. Raha tsy maintsy halefa mianatra amin’ny sekoly somary lavitra ny trano ny zanaka dia mila jerena ny fomba handehanany mianatra sy mody. Tsy tsara ho an’ny ankizy ny mandeha tongotra lavitra loatra rehefa mianatra satria mety hamizaka azy izany ka hisy fiantraikany amin’ny fianarany. Sarotra ho an’izy ireny ihany koa etsy andaniny ny fisisihana fitateram-bahoaka, indrindra raha mbola kely izy ireo. Efa maro ankehitriny ny sekoly misy « transport scolaire ». Vahaolana tsara heverina izany raha mody lavitra ny ankizy.

Ny saram-pianarana

Lafin-javatra iray mila dinihina tsara alohan’ny hisafidianana sekoly ho an’ny zanaka ny saram-pianarana ao amin’izany. Ny toeram-pianarana zakan’ny enti-manana no ampidirana ny ankizy mianatra mba ahafahana manefa ny saram-pianarana ara-dalàna sy ara-potoana. Miteraka tebiteby, henatra sy rarin-tsaina ho an’ny mpianatra tokoa mantsy ny voahantso lava any amin’ny birao na voaroaka mody satria tsy nahavoaloa ny saram-pianarana. Mazava ho azy fa mety hisy vokadratsy amin’ny vokam-pianarany izany.

Ny laza sy ny voka-panadinan’ny sekoly

Tsy azo atao ambanin-javatra ny lazan’ny sekoly safidiana ampianarana ny zanaka. Efa azo lazaina ho maro ireo sekoly miankina sy tsy miankina azo hisafidianana raha ireo tanana lehibe no jerena. Mila fantarina arak’izany hoe manao ahoana ny voka-panadinan’ny sekoly manoloana ireo fanadinam-panjakana. Torak’izay ihany koa ny fitsipika misy ao aminy sy ny fanajan’ny mpianatra izany.

Lire la suite

Articles Similaires