Varotra ao amin’ny Facebook : ireo fanao mampihemotra ny mpanjifa
Miroborobo ankehitriny ny fivarotana ao amin’ny Facebook. Anisan’ireo teboka lehibe miantoka amin’ny fahombiazan’izany ny fahatokosan’ny mpanjifa sy ny fahaizana mandresy lahatra. Mba hampiroborobo ny varotra amin’ny Facebook àry dia andeha ho resahana eto ireo fanao mampihemotra ny mpanjifa ka tokony hialana.
Fanao mampihemotra mpanjifa : ny fanaovana « prix en MP »
Isan’ireo zavatra manorisory indrindra ny mpampiasa Facebook ity fanao ity. Mandefa sary tsara tarehy nefa tsy mametraka vidiny, ary mamaly foana hoe "Prix en MP" isaky ny misy manontany eo amin'ny fanehoan-kevitra (commentaire).
Vokatr’izany : lasa mieritreritra ny mpividy fa mety lafo be ilay zavata amidy na koa misy zavatra afenina ao. Aleon’ny ankamaroan’ny olona mandalo fotsiny toy izay hisahirana handefa hafatra hiresaka manokana mba hahalalana ny vidin’ny entana.
Mba hisarihana ny mpanjifa amin’ny varotra ao amin’ny Facebook dia tsara raha avoaka mazava tsara ao amin’ny « publication » ny vidin’ny entana, ny safidy misy (habetsany, habe na taille, loko) ary ny fomba fanaterana azy (livraison). Ny hafatra miafina kosa dia atokana hamaranana ny fividianana sy handraisana ny mombamomba ilay mpanjifa fotsiny (anarana, laharana, toerana hanaterana azy).
Ny faharetana loatra vao mamaly na ny "Vu" tsy misy valiny
Mila valiny haingana ny olona ao amin’ny tambajotra sosialy. Rehefa misy mpanjifa maneho hevitra na mandefa hafatra hividy zavatra, dia mbola mafana sy te hividy izy amin'io fotoana io. Raha miandry 24 na 48 ora ianao vao mamaly, na ratsy kokoa aza, mamaky ilay hafatra fotsiny ("Vu") nefa tsy mamaly, dia mety hiova hevitra ilay mpanjifa.
Vokany : mieritreritra ilay mpanjifa fa tsy matotra ianao, na koa efa maty ilay pejy, ka lasa avy hatrany izy mividy any amin'ny mpivarotra hafa izay mailaka kokoa.
Mba hisorohana izany dia ilaina ny manamboatra valinteny mandeha ho azy (réponse automatique) ao amin'ny hafatra miafina mba handraisana ny mpanjifa sy hanomezana azy ny fampahalalana fototra. Mila manokana fotoana voafaritra tsara ao anatin'ny andro hamaliana ny hafatra, ary atao lohaharam-pamehana ireo hafatra te hividy mivantana.
Ny fampiasana sary "halatra" tany amin'ny aterineto
Fahadisoana lehibe ny maka sary tsara tarehy sy matihanina any amin'ny Google na Pinterest mba hivarotana entana, nefa ny entana tena eo am-pelatananao dia tsy mitovy kalitao amin'ilay sary.
Rehefa tonga ny entana, tonga dia tsikaritry ny mpanjifa ny fisolokiana. Tsy vitan'ny hoe hitaky ny hamerenana ny volany izy, fa handefa ny sary tena izy eo amin'ny fanehoan-kevitry ny pejinao koa, ka ho rava ao anatin'ny segondra vitsy ny fahatokisana rehetra natsanganao.
Ny vahaolana: Aleo maka sary ny entana am-pelatanana. Na amin'ny finday aza, rehefa madio ny sary, ampy hazavana (hazavan'ny andro), ary mampiseho tsara ny antsipirian'ny entana amin'ny lafiny rehetra, dia mahatonga ny mpanjifa hatoky kokoa noho ny sary tonga lafatra any anaty « catalogue ».
Ny famafana fanehoan-kevitra ratsy na ny "Bloquer"-na mpanjifa tezitra
Rehefa misy fahadisoana mitranga (entana taraiky, entana simba na misy kilema), dia tsy tsara ny manafina ny olana amin'ny alàlan'ny famafana ny fitarainan'ny mpanjifa na ny fanaovana "bloquer" azy.
Ny vokatry ny fanaovana izany: Hitady lalana hafa ilay mpanjifa tezitra. Hamoaka izany any amin'ny pejiny manokana izy, na hizara izany any amin'ireo vondrona (groupes) fanaratsiana mpivarotra na mpanasongadina « arnaque ». Haingana be ny fiparitahan'ny laza ratsy ao amin'ny Facebook.
Ny tokony atao dia ny mampiasa ireny fanehoan-kevitra ratsy ireny mba hanehoana fa matihanina ianao. Valio am-pitoniana sy am-panajana eo imason'ny rehetra, manolora vahaolana (fifanakalozana entana, famerenam-bola, na fahafahana manome tombony manokana), avy eo tohizo any amin'ny hafatra miafina ny fandaminana ny antsipiriany. Ho hitan'ny olona hafa mijery fa mpivarotra mahay mandray andraikitra sy azo itokisana ianao.




