• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mcm De Paris
Image
Madagasikara

Hividy tany : ireo torolalana tsara fantatra hisorohana ny hosoka

13/09/2023 11:44 © Moov.Mg

Mila fahamalinana tsara ny fividianana tany sy ny fikarakarana ny taratasy mikasika izany. Efa maro tokoa ireo very vola noho ny tsy fahafantarana ny dingana sy ny taratasy ilaina amin’izany. Ireto ary misy torolalana tsara fantatra hisorohana ny hosoka rehefa hividy tany.

Mangataka « certificat de situation juridique » amin’ny tompon’ny tany amidy

Fomba voalohany amantarana fa tsy mpamitaka ny mpivarotra tany dia ny fahafahany manome ny mpividy ny « numéro matricule » ny tany amidiny. Ankoatra izay moa dia mila mangataka ny « certificat de situation juridique (CSJ) », latsaky ny telo volana, ilay mpividy hanamarinana hoe iza tokoa no tompon’ny tany amidy. Ho fanamafisana izany dia tsara raha manantona eny amin’ny kaominina misy ilay tany mba hanamarinana fa tsy mbola namidy ity farany. Hita eny anivon’ny kaominina raha efa nisy fifanaovana varo-maty mikasika io tany io tany aloha nefa mbola tsy nafindra amin’ny anaran’ny mpividy.

Mampitaha ny bokin-tany (titre) sy ny certificat de situation juridique

Ny bokin-tany (titre) no taratasy azo antoka indrindra hanamarinana ny fananan-tany. Alohan’ny hividianana tany noho izany dia ilaina ny mampitaha ny ao anaty titre sy ny ao anaty certificat de situation juridique. Tsy tokony misy ahiana rehefa mitovy ny voalaza ao amin’izy ireo. Azo hamarinina ihany koa ny kadasitra raha toa ka lovan’olona ilay tany ho vidiana. Tokony ho azo porofoina ny rohim-pihavanana misy eo amin’ny mpivarotra sy izay tompon-tany misoratra anaty kadasitra. Fomba manampy betsaka amin’ny fisorohana ny hosoka mikasika ny fananan-tany ireo fanamarinana voalaza ireo.

Azo antoka kokoa ny maka vaditany (huissier)

Ho an’ireo mikasa hividy tany nefa mbola tsy mahafehy ireo taratasy ilaina sy ireo dingana mila tanterahana amin’ny fifampivarotana dia tsara kokoa ny manantona vaditany na ilay antsoina hoe « huissier ». Ity farany no manatanteraka ny fifanakalozana rehetra ilaina amin’ny mpivarotra tany. Manamaivana sy manafaingana ny raharaha ao anatin’ny ara-dalàna tanteraka ny vaditany, ary manafaka amin’ny fivezivezena sy ny fahasorenana mitety biraom-panjakana. Marina fa mety ho lafo tokoa ny manakarama huissier nefa fomba azo antoka hisorohana ny mety hosoka ataon’ny mpivarotra tany ny fanantonana azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires