• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Madagasikara

Fiainam-pirenena : Tokony hifidy sa hiandry izay valiny fotsiny ?

12/09/2023 11:54 © Moov.Mg

Amin’izao herinandro vitsivitsy mialoha ny fifidianana filoham-pirenena izao dia mbola maro ireo olom-pirenena, tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana, no misalasala hoe handeha hifidy ve sa hiandry izay valiny fotsiny ? Fa inona tokoa no maha zava-dehibe ny fandehanana mifidy sy ny tombontsoa azo avy amin’izany ?

Zo ananan’ny olom-pirenena eto amin’ny tany demokratika ny mifidy

Araka ny lalàna velona misy eto Madagasikara dia manana zo hifidy ny olom-pirenena malagasy lahy sy vavy feno valo ambin’ny folo taona no miakatra amin’ny taona anaovana fifidianana. Toy izany ihany koa ny vahiny mizaka ny zom-pirenena malagasy. Tsy manana izany zo hifidy izany kosa ireo olona very zo na hoe nalain’ny fitsarana aminy ny zo hifidy. Fomba iray hisitrahana ny zo amin’ny maha olom-pirenena vanona noho izany ny fandehanana mifidy.

Adidy aman’andraikitra ny fandehanana mifidy

Samy manana adidy sy andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny olom-pirenena tsirairay. Marina fa ny mpitondra no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitondrana ny firenena. Ny fanapahan-kevitra sy ny asa ataon’izy ireo no antoka iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny tany sy ny firenena. Mandray anjara lehibe amin’izany fitantanana ny firenena izany ihany kosa nefa ny vahoaka sy ny olom-pirenena tsirairay. Izy ireo tokoa mantsy no nisafidy sy nametraka ny mpitondra eo amin’ny toerany. Raha mahay mitantana ny olom-boafidy dia afaka misitraka ny asa vitany ny vahoaka nifidy azy. Raha toa ka tsy mahomby amin’ny fitondrana kosa nefa izy dia manana anjara andraikitra amin’ny vokatr’izany tsy fahaiza-mitantana izany ireo vahoaka nifidy azy.

Fahafahana maneho safidy amin’ny ho avy ny firenena

Manana zo, fa indrindra manana fahafahana, maneho ny safidiny ny olom-pirenena mikasika ny fiainam-pirenena sy ny ho aviny. Rehefa tonga ny fotoanan’ny fifidianana dia afaka mifidy izay kandidà maharesy lahatra azy sy hitany fa mitovy fijery aminy ny olom-pirenena tsirairay. Mila maka fotoana tsara kosa nefa hamantarana ny fandaharan’asa ny kandidà tsirairay ary mampitaha azy ireny. Efa akaiky ankehitriny ny fifidianana filoham-pirenena. Efa fantatra ihany koa ireo kandidà 13 hisafidianana amin’ny volana novambra. Efa afaka mandinika izay mety ho safidiny dieny izao ny olom-pirenena, na dia mbola amin’ny 10 oktobra aza vao hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra. Efa samy miezaka mampahafantatra ny tenany rahateo mantsy ireo kandida, ao anatin’ilay antsoina hoe : « pré-campagne ».

Lire la suite

Articles Similaires