• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Groupe Sari
Image
Madagasikara

Fofona amin’ny vatana : ireo mila tandremana ho fanajana ny hafa

11/09/2023 11:57 © Moov.Mg

Fantaro ireo teboka mila tandremana mikasika ny fofona amin’ny vatana rehefa imason’olona. Araho ihany koa ireo torohevitra momba ny fanaovana ranomanitra.

Tafiditra anatin’ireo lafin-javatra voakasiky ny fahaiza-miaina ny fitandremana ny fofona amin’ny vatana. Anisan’ny zavatra manelingelina ny hafa tokoa ny fofona satria miditra avy hatrany anaty orona izany. Inona avy ary ireo teboka mila hajaina amin’ny resaka fofona rehefa eny imason’olona.

Manao madio tsara mba tsy hisy fofona ratsy ny vatana

Mazava ho azy fa ny fofona ratsy amin’ny vatana no isan’ireo manelingelina ny hafa indrindra ka mila tandremana rehefa eny imason’olona. Na any anaty fitateram-bahoaka, na any am-piasana, na any am-piangonana, eny fa na eny an-dalambe eny aza dia manelingelina sy mampijaly ny manodidina ny fofona ratsy amin’ny vatana. Voakasik’izany avokoa ny fofon-katsembohana rehetra vokatry ny tsy fahadiovana. Mila mandro sy misasa tsara noho izany vao mivoaka ny trano. Manao alamo, voasary makirana na déodorant raha mora tsembok’helika. Soloina hatrany ny atin’akanjo sy ny bà kiraro mba hisorohana ny fofona ratsy, borosina tsara ny nify… Fazotoana sy fahazarana dia ampy hisoroana ny fofona ratsy amin’ny vatana.

Tandremana tsara tsy hanao ranomanitra mahery loatra

Anisan’ny fahazarana miaraka tsara amin’ny fahadiovana ny fanaovana ranomanitra. Maro ireo olona manao azy ireny mba hampivoaka tsara ny fitafy sy ny fihaingo entiny amin’ny andavanandro na rehefa misy lanonana aleha. Amin’ny ankapobeny dia tsy misy tokony maharatsy ny fanaovana ranomanitra. Tandremana tsara kosa nefa mba atao amin’ny antonony ny fampiasana azy ireny. Raha mahery loatra ny fofon’ny ranomanitra anaovana dia lasa manelingelina ny hafa manodidina izany. Tsy voatery ho tian’ny manodidina ny fofon’ny ranomanitra hanaovana ka ho fanajana azy ireo dia tsy atao be loatra rehefa mitifitra izany. Efa misy rahateo moa ireo faritra voatokana hasiana ranomanitra amin’ny vatana dia ny ambadiky ny sofina roa, ny eo amin’ny hato-tanana sy ny kihon-tanana.

Lire la suite

Articles Similaires