• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nosy Be
Image
Madagasikara

Nosy Be : Ilay paradisakelin'i Madagasikara

01/09/2023 14:57 © Moov.Mg

Anisan'ireo toeram-pizahan-tany tsara indrindra eto Madagasikara i Nosy Be. Mampiavaka azy ny hatsaran'ny ranomasina, ny zava-boahary sy ny zava-misy rehetra any an-toerana. Entinay mitsidika an'i Nosy Be àry ianao amin'ity lahatsoratra ity.

Tora-pasika tsy manam-paharoa

Ranomasina mangatsakatsaka (transparent), ahatazanana ireo "fonds marins" sy ny trondro isan-karazany : any Nosy Be no misy izany. Madio tanteraka ny ranomasina rehefa antonina, ary mangabe rehefa tazanin-davitra. Ny fasika fotsy moa no tena mahatonga ny rano mangatsakatsaka, indrindra fa rehefa tarafin'ny masoandro. Any Nosy Sakatia, Nosy Komba sy Nosy Iranja no tena ahitana izany. Any Nosy Iranja no tena manintona ny vahiny sy ny malagasy, noho ny fisian'ilay ranomasina mizara roa. Rehefa amin'ny atoandro, misy "allée de sable" manasaraka ny ranomasina ka azo andehanana tsara. Difotra kosa izany amin'ny hariva sy amin'ny alina ka mitambatra ny ranomasina ka lasa misy nosy kely miisa roa.

Azo atao tsara ihany koa ny manao "plongée sous-marine" raha tena te hahita akaiky kokoa ireo récifs corralliens, ireo karazan-trondro ary indrindra ireo soka-dranomasina. Rehefa mitsidika ny Nosy Sakatia, tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoan'ireo mpikarakara ny plongée "plongée sous-marine", hahafahan'ireo mpitsidika mahita ireo sokatra an-dranomasina.


Copyright Image : © Moov

Toeram-pizahan-tany miavaka

Ireo tora-pasika ao Nosy Be sy any amin'ireo nosy kely manodidina no tena mahasarika ny mpizaha tany sy ny mpiala sasatra. Tsy izany ihany nefa no tena mahaliana satria tsy tambo isaina ireo toerana mahafinaritra sy miavaka. Anisan'izany ohatra ny "Arbre sacré" any Mahatsinjo. Miala 2,5 km ny renivohitr'i Nosy-Be izy ity. Tsy inona izany fa toeram-pivavahana amin'ny razana, ahitana hazo antsoina hoe "ficus religiosa" izay mirefy maherin'ny 30 metatra ny haaovony. "Tany masina" izy io ka tsy maintsy manala kapa na kiraro rehefa miditra ao. Tsy adino ihany koa ny misikina na ho an'ny lahy na ho any vavy. Ho an'ny vehivavy manokana, mila kisaly ampiarahana amin'ny sikina, izany hoe toy ireny fitafiana karana ireny. Misy toerana fametrahana ireo fangatahana na fisaorana ao an-toerana. Araka ny fanazavana azo, rehefa sabotsy ireo mpivavaka ao no tonga miantso razana sy mangata-pitahiana. Any anaty hazo no mitoetra ny fanahin'ireo Razana mba hanelanelana (Méditateur) ny olombelona sy ny Mpahary. Lamba mena sy fotsy no tena hita ao, satria ireo loko ireo no lokon’ny mpanjaka Sakalava Zafinimena Zafinifotsy.


Copyright Image : © Moov

Azo tsidihana tsara ihany koa ny "phare", izay hita ao amin'ny Nosy Tanihely. Toerana fanomezana "Signal" ireo sambo izy ity, izany hoe misy jiro mirehitra rehefa amin'ny alina, mba tsy hahavery ireo mpampiasa ranomasina. Azo tsidihana tsara io toerana io sady isitrahana "vue panoramique 360°", izany hoe ahitana ny ranomasina sy ny nosy manodidina. Marihana fa ao ambadiky ny tora-pasiky ny Nosy Tanihely ny "Tanihely National Parks". Ahitana ala izay misy biby isan-karazany moa ao, toy ny gidro sy ny voromanidina. Tsy adino ny Mozea izay mitahiry ireo karazana sary sy akorandriaka.


Copyright Image : © Moov

Rehefa mitsidika ny Nosy Komba, tsy ny tora-pasika ihany no tena manintona any. Misy valan-javaboahary any an-toerana. Mahafinaritra tokoa ny mandray ireo bibilava, katsatsaka, tarondro, sokatra sy ragidro. Amin'ny ankapobeny dia azo raisina avokoa ireo biby ireo. Misy ny mpitari-dia izay efa mahay ny fomba fiantsoana ireo biby. Ny ragidro ohatra dia omena akondro ka mihanika eny amin'ny tanan'ny olona izay manome sakafo azy. Ny bibilava kosa dia raisin'ny mpiandraikitra ka apetraka eo amin'ny hatoky ny mpitsidika.


Copyright Image : © Moov

Asa tanana lavorary

Koa satria toerana be mpizaha tany any Nosy Be, indrindra moa fa teratany vahiny, maro dia maro ireo mpivarotra asa tanana any an-toerana. Ny hazo, ny rofia, ny kapsily, ny akorandriaka sy ny tandrok'omby no tena akora fototra ampiasain'ireo mpanao asa tanana. Ahazoana haingon-trano, fitaovan-dakozia, satroka, poketra sy firavaka moa ireo akora ireo. Amidin'ireo mpivarotra ihany koa ny "rhum artisanal". Ny ankabeazan'ny fangaro dia misy "katy" (zava-maniry mampatanjaka) sy sakamalaho ary lavanila.


Copyright Image : © Moov

Nahandro Malagasy mafilotra

Hazan-dranomasina no tena tian'ireo vahiny tonga ao Nosy Be : trondro, orita, crevette, sns. Na eny anivon'ireo hotely na eny amoron-dranomasina, saika "loaky" na "trondro" no atolotra ny mpisakafo. Tsy adino ny lasary laisoa, karoty na manga ampiarahana amin'ny sakafo. Ny ankabeazan'ireo toeram-pisakafoanana dia manisy voanio ny vary, izany hoe vary manimanitra tsara no anadramana ireo karazan-trondro matsiro. Amin'ny vanim-potoana somary mangatsiatsiaka, akondro sy papay no tena vokatra any an-toerana.
Ny eny amin'ny BazarBe kosa, izany hoe ireo mpivarotra amoron-dalana, ireo maskita sy pakopako ary lasopy no tena mandeha amin'ny hariva. Tsy adino ny trondro endasina.


Copyright Image : © Moov

Fitanterana an-dranomasina azo antoka

Koa satria nosy ivelan'i Madagasikara i Nosy Be, tsy maintsy misy fiampitana ranomasina vao tafiditra na tafavoaka ny tanàna. Raha mandeha fiara, izany hoe mihazo ny lalam-pirenena faha-4, atao izay ahatongavana any Ankify, alohakelin'Ambanja. Misy seranan-tsambo mantsy ao Ankify, ahafahana mandray sambo mihazo an'i Nosy Be. Raha manana fahafahaha dia azo atao tsara ny mandeha fiaramanidina.
Rehefa hitsidika ireo nosy manodidina dia tsy maintsy mandeha sambo. Arakaraka ny tanjaky ny moteran'ilay sambo moa ny toerana azo aleha. Matetika dia miainga eny amin'ny seranan-tsambo eny HellVille na eny Ambatoloaka ny fiaingana.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires