• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radebason M
Image
Madagasikara

Olona lasan'ny ranomasina : nilomano tamin'ny toerana mahafaty sa tsy nanaja fady ?

13/08/2023 08:01 © Moov.Mg

Fialan-tsasatra amoron-dranomasina : Fantaro ny atao hoe "Courrant d'arrachement", hery misintona amin'ny faritra tsy misy onja (Baïne). Io faritra io dia varavarana ho an'ny fahafatesana raha tafaroboka na dia mahay milomano aza.

Isaky ny fialan-tsasatra lehibe dia tsy maintsy misy olona lasan'ny rano, na an-dranomamy na an-dranomasina. Vao tsy ela akory izay no nisy tovolahy roa lasan'ny ranomasina tao Toamasina, tao Tahity Kely. Niteraka adihevitra maro ny mikasika izany satria azo lazaina fa efa zanatany izy ireo. Mpianatry ny oniversiten'i Barikadimy mantsy izy roalahy ary heverina fa efa zatra nilomano tao Tahity Kely. Tsy nanaja fady àry ve izy ireo sa nilomano tamin'ny toerana tsy tokony ilomanosana ?

Famantarana ny "Courrant d'arrachement"

Maro dia maro ireo toerana lazaina fa misy fady eto Madagasikara. Raha ny ranomasina manokana no lazaina, ny ankamaroan'ny Malagasy dia tsy sahy mikitika kisoa raha hilalao rano, eny fa na tsy misy torolalana manokana aza. Tsy voatery hino ny fomban-tany sy hanaja ireo fady rehetra nefa ny olon-drehetra, noho ny finoana sy ny hery samy manana ny azy.
Raha fanazavana ara-tsiantifika no resahina, misy ny atao hoe "Courrant d'arrachement" na "RIP Current". Izy io dia ilay faritra misintona izay olona milomano hanalavitra ny morontsiraka, dia ilay eo anelanelan'ny onja roa mandroatra fotsifotsy. Misy "courrant" mandetika ny mpilomano izany rehefa tsy misy onja. Tsy voatohitra io hery misintona mafy io ary tsy azo toherina. Arakaraka ny hanoherana azy no vao maika mampilentika.
Raha sanatriavina ka mahatsapa voasintona dia tsy azo toherina miverina raha te ho tafavoaka velona. Milomano manaraka ny hitsin'ny ny morontsiraka no atao mandra-pahatonga ny amin'ny faritra misy onja. Ny onja indray mantsy no misintona tampoka sady manipy ilay mpilomano ho eny amin'ny tora-pasika.
Fari-dranomasina ahitana onja fotsy tonga hatramin'ny tora-pasika no mety handroana satria manosika ho eny amin'ny tora-pasika hatrany fa tsy misintona midina.

Fanajana ny fomban-tany

Rehefa miala ny faritra misy azy ny tsirairay dia lasa "mpivahiny". Na dia samy Malagasy aza manerana ny nosy, tsy azo adino fa samy manana ny mampiavaka azy ny faritra tsirairay, indrindra moa rehefa mivoaka an'Antananarivo. Tsy vitsy ireo toerana nanaovana fombafomba isan-karazany ka lasa misy fadifady mila tandremana, mba tsy hisehoan'ny loza.
Na mino na tsy mino ny hery hafa ankoatra ny Zanahary, tsara ny manaja ny fady rehetra amin'ny toerana iray, indrindra moa raha nahazo torolalana avy amin'ireo mponina. Tsy takatry ny saina mantsy ireo misterin'ny herin'ny tontolo tsy hita maso. Fadiana ny manandrakandrana ireo zavatra efa nolazaina fa tsy azo atao, mba hitandrovana ny aina lahitokana.
Ankoatr'izany, tsara ny manamafy ny fitandremana rehetra rehefa hiala sasatra, indrindra moa raha hilalao ranomasina :
-Tsy avela hilalao irery ny zaza sy ny ankizy. Fadiana ny mampiasa "bouet" satria mety ho lasan'ny rano ho eny ampovoany be raha mahery tampoka ny rivotra ;
-Tsy azo atao ny milomano lalina loatra na dia mahay milomano tsara aza ;
-Eo anelanelan'ny amin'ny 10 ora maraina hatramin'ny 3 ora tolakandro eo ho eo no milamina ny ranomasina. Aleo miala anaty rano rehefa miha-mahery ny onja ;
-Raha tsy mahay milomano dia tsy tokony hihoatra ny lohalika ny halalin'ny rano idirana. Raha hipetraka anaty rano kosa, aleo miamboho ny onja mba isorohana ny fahasemporana raha lena tanteraka ny vatana ;
-Raha tsy maintsy manao satroka dia ireny misy tady ireny, mba hisorohana ny fanenjehana izany anaty rano raha lasan'ny rivotra tampoka.

Lire la suite

Articles Similaires