• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voyage À Madagascar
Image
Madagasikara

Ireo tombontsoa azon’ny toerana fandehanana fialantsasatra

10/08/2023 14:11 © Moov.Mg

Ny ankamaroan’ny fianakaviana na mpinamana mandeha miala sasatra dia tsy mieritreritra loatra ny fiantraikan’ny dian’izy ireo eo amin’ny toerana tsidihiny. Marihana nefa fa samy mahazo tombontsoa avokoa na ny mpitsidika na ny tsidihina. Inona avy ary ireo tombontsoa azon’ny toerana fandehanana fialantsasatra ?

Miroborobo ny toekarena ao amin’ny toerana fandehanana fialantsasatra

Mahazo tombony tokoa ireo toerana fandehanana fialantsasatra rehefa fotoana toy izao. Ny lafiny ara-toekarena moa no voakasik’izany voalohany indrindra. Rehefa tonga ny mpiala-sasatra dia mitombo ny mpanjifa amin’ireo foto-drafitrasa manodidina ny fizahantany. Anisan’izany ny trano fandraisam-bahiny, ny toeram-pisakafoana, ny fiara fitanteranterana na an-tanety na an’habakabaka, ny toerana fialana voly… Samy mahazo ny mpanjifa mifanandrify aminy avokoa na ireo orinasa lehibe na ireo kelikely. Tsy diso anjara amin’izany ihany koa moa ireo mpivarotra sakafo amoron-dalana tena be mpankafy tokoa, indrindra ireo manamorona ny tora-pasika. Tsapa fa mampidi-bola ho an’ny ankamaroan’ireo mpandraharaha ao amin’ny toerana fandehanana fialantsasatra tokoa ny fahatongavan’ny mpiala sasatra.

Maresaka sy mitotorebika ny tanàna

Ho an’ireo toerana fandehanana fialantsasatra betsaka mpitsidika toan’i Mahajanga sy Toamasina dia hita fa maresaka sy mitotorebika tokoa ny tanàna rehefa tonga maro ny mpiala sasatra. Raha toa ka somary mangigina sy matoritory ao amin’ireo toerana ireo mandavan-taona dia lasa mazoto mikorana, mivoaboaka, mifalifaly ny mponina rehefa tonga ny vahiny maro mpiala sasatra. Ahitana olona matetika eny amin’ny arabe, ny toerana fialana voly toy ny dobo filomanosana, ny toeram-pandihizana, ny karaoké, ny tora-pasika… Matetika moa dia misy fiantraikany tsara amin’ny fandrim-pahalemana izany satria mbola betsaka olona eny amin’ny arabe rehefa maizina ka tsy atahorana loatra ny fodiana raha tratra hariva. Mila mitandrina hatrany kosa nefa ny rehetra satria tsy manafoana ny mpanao ratsy akory izany.

Lire la suite

Articles Similaires