• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Voyage Family
Image
Madagasikara

Vacances : Ireo tombontsoa lehibe azo avy amin’ny fandehanana miala sasatra

09/08/2023 15:05 © Moov.Mg

Maro ireo fianakaviana Malagasy no mandeha miala sasatra mivoaka ny tanàna misy azy rehefa fotoan’ny fialan-tsasatra toy izao. Raha ny avy ety afovoan-tany matetika dia mandeha mamonjy morontsiraka. Tsy haitraitra velively ny fandehanana miala sasatra ary maro ny tombontsoa azo avy amin’izany arak’ireto tanisaina manaraka ireto.

Mampitony ny rarin-tsaina ny fandehanana miala sasatra

Samy mety hisy rarin-tsaina avokoa ny olona rehetra na ny ankizy na ny olon-dehibe. Matetika moa dia ny fianarana, ny asa aman-draharaha ary ny rotorotom-piainana no mahatonga izany. Miteraka fahasorenana sy fahakizitinana ao amin’ny ankohonana ny rarin-tsaina ka fomba iray mampitony izany ny fandehanana miala sasatra. Adino vetivety ny havizanana sy adin-tsaina vokatry ny asa, ny fianarana sy ireo asa aman-draharaha amin’ny andavanandro.

Maka aina ny vatana sy ny saina

Mila maka aina ny vatana sy ny saina mba ahafahana manatanteraka ireo adidy sy andraikitra sahanina amin’ny fiainana andavanandro. Azo atao tsara ny miala voly sy maka aina rehefa faran’ny herinandro mba hanovozana hery vaovao hiatriehana ny herinandro manaraka. Rehefa mandeha kosa nefa ny andro sy ny volana dia mety tsy ampy intsony izany fialana voly vetivety izany. Ny fandehanana miala sasatra any amin’ny morontsiraka na any ambanivohitra mandritra ny andro vitsivitsy no mandaitra kokoa. Miova ny paysages jeren’ny maso, maro ireo fialamboly azo atao eny an-kalamanjana… Na dia mety mamizaka aza ny dia eny an-dalàna dia mahatsiaro matanjaka hatrany na ny vatana na ny saina.

Mampivelatra ny fifandraisana amin’ny hafa

Ilaina tokoa ny mandeha miala sasatra any amin’ny tanàna hafa mba mampivelatra ny saina ary indrindra ny fifandraisana amin’ny hafa. Na samy Malagasy ary samy eto Madagasikara tokoa aza dia tsy mitovy ny fomba amam-panao amin’ny mponina manerana Nosy. Fomba iray ahafahana mahafantatra ny kolontsain’ny mpiray tanindrazana ny fandehanana mandeha miala sasatra. Mahafinaritra hatrany ny mamantatra ny fitenin’ny faritra aleha, ny sakafo misy any amin’izy ireny…

Lire la suite

Articles Similaires