• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Madagasikara

« Voyage organisé » : hevitra tsara handehanana miala sasatra ve ?

08/08/2023 16:43 © Moov.Mg

Miroborobo eto Madagasikara efa taona vitsivitsy izao ny « voyages organisés » na ireo fitsangatsanganana na dia voalamina. Maro no efa afa-po tamin’izany fa misy ihany koa ireo diso fanantenana. Hevitra tsara tokoa ve ny handehanana miala sasatra amin’ny alalan’ny voyage organisé ? ‘Ndeha ho resahina ny mety ho lafy tsara sy ny lafy ratsin’izany.

Ireo lafy tsaran’ny voyage organisé

Maro ireo mpianakavy na mpinamana misafidy hatrany ny mandeha miala sasatra amin’ny alalan’ny voyage organisé. Maro tokoa moa ny lafy tsaran’izany fomba fitsangatsanganana izany, indrindra raha nisafidy mpikarakara na agence matotra tsara ny mpiala sasatra. Anisan’ireo antony hitiavan’ny olona mandeha voyage organisé ny hoe :
-Tsy lany fotoana mikarakara ny dia satria efa voalamina avokoa na ny fitaterana, ny trano hivantanana, ny toerana fisafakoana, ny toerana hitsangatsanganana… ;
-Miaraka mitsangatsangana maro ka maresaka kokoa ny dia sy ny fivahinianana ;
-Maro ireo kilalao sy fanentanana efa voahomana sy hiarahana eny an-toerana ;
-Mahavita mitsidika ireo toerana mampalaza ny tanàna handehanana miala sasatra satria efa mahafantatra tsara ny any an-toerana ny mpikarakara ;
-Fantatra mialoha ny vola aloha ary efa voafaritra ihany koa ireo zavatra tafiditra anatin’izany. Afaka manomana tsara ny vola entina noho izany ny mpiala sasatra.

Ireo mety ho lafy ratsin’ny fandehanana manao voyage organisé

Toy ny zavatra rehetra moa dia misy ihany koa ny mety ho lafy ratsin’ny fandehanana mitsangatsangana amin’ny voyage organisé. Anisan’ireo antony naha diso fanantenana ny mpitsangatsangana ohatra ny hoe :
-Ratsy tsy nifanentana tamin’ny saran’ny dia ny kalitaon’ny fiara-fitaterana, ny trano fivahinianana na koa ny sakafo nandritra ny fialan-tsasatra ;
-Feno loatra ny fandaharam-potoana ka tsy ampy ny fotoana nakana aina na nanaovana zavatra hafa ivelan’ny voyage organisé ;
-Be loatra ny olona nandeha tamin’ilay fialantsasatra ka tsy dia afaka nanararaotra arak’izay tiana natao.

Amin’ny ankapobeiny moa dia avy amin’ny fisafidianana mpikarakara na agence tsy mahatotra no mahatonga ny ankamaroan’ireo fahadisoam-panantenana ireo. Tsara noho izany ny misafidy agence azo antoka rehefa handeha voyage organisé. Alohan’ny handoavana vola dia fantarina hoe ara-dalàna ara-panjakana ve ilay agence ary aiza ny toerana misy ny biraony.

Lire la suite

Articles Similaires