• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Office-De-Tourisme-Nosy-Be
Image
Madagasikara

Nosy-Be : Andafy kelin'ny Malagasy, 'ndao tsidihana !

03/08/2023 21:54 © Moov.Mg

Tsy voatery mankany amin'ny firenen-kafa vao mahita ny any am-pitan-dranomasina. Ankafizo ny hatsaran'i Nosy Be, nosy lehibe iray ivelan'i Madagasikara, nefa an'ny Malagasy. Na mpifankatia na mpianakavy, toerana mahafinaritra sady azo ialana voly tsara ny ao Nosy Be.

Ahoana no hahatongavana ao Nosy Be ?

Amin'ny maha-nosy azy, tsy tongan'ny fiara i Nosy Be. Tsy maintsy miampita sambo na mandeha fiaramanidina vao tonga any an-toerana.
Ho an'ireo mandeha fiaramanidina, eo ho eo amin'ny adiny roa ny faharetan'ny sidina. Raha misafidy ny handeha fiara kosa, maharitra adiny 15 ny "voyage". Noho ny haratsin'ny lalana nefa, mety haharitra hatrany amin'ny adiny 20 mihitsy ny handehanana eny an-dalana. Na hitondra fiara manokana na handeha fiara iombonana, tsy maintsy manaraka ny lalam-pirenena faha-4, toy ny ho any Antsiranana. Eo Ambondromamy, sampanan'i Mahajanga no mivily mianavaratra. Mahafinaritra tokoa ny mahita ireo alaala sy rano eny an-dalana. Tsy adino ireo moknazy maniry eny an-dalana, sady mamy tsara na dia ireo mbola maitso aza. Mifarana eo Ankify moa ny lalana azo aleha ho an'ny fiara sy ny olona. Eo indrindra no misy seranan-tsambo : ny olona mandeha "vedette rapide" ary ny fiara mandeha "bac".
Maharitra eo ho eo amin'ny telopolo minitra eo ho eo kosa ny faharetan'ny fiampitana amin'ny vedette. Ny fiara no mila faharetana kokoa satria adiny roa na mahery ny fampitana ny fiara amin'ny bac.

Inona avy no tena mampiavaka an'i Nosy Be ?

Nosy Be no faritanin'i Madagasikara anisan'ny manintona mpizahatany betsaka indrindra. Mazoto tokoa ireo vahiny mitsidika ny nosy noho izy maresaka sady ahitana toeram-pialan-tsasatra mahavariana. Miha-mitombo isan-taona ireo teratany malagasy, avy amin'ny lafivalon'ny nosy no mitsidika izany Nosy Be izany.
Anisan'ny tena mahaliana ireo vahiny ireo Nosy kely ao an-toerana : Nosy Iranja raha te hahita ranomasina mizara roa, Nosy Sakatia raha te hijery sokatra an-dranomasina, Nosy Komba raha te hitafa amin'ireo mpanjono, Nosy Tanihely raha te hijery "Lémuriens", sns. Tsy adino ireo toerana ahafantarana misimisy kokoa ny kolontsaina Sakalava, dia ny hazo manankasina sy ny mozea.
Mafana ny andro ao Nosy Be, na dia ririnina aza. Raha mikasa hiala sasatra any an-toerana, omany dieny izao ny fitafiana maivamaivana, ny kapa sy ny vokatra iarovana ny hoditra amin'ny masoandro. Tsarovy ihany koa fa amin'izao fotoam-pialan-tsasatra izao, mety avy ny orana indraindray, saingy tsy tokony hihoatra ny ora iray izany. Marihana fa ny bajaj no fitateram-bahoaka any an-toerana.

Tena marina ve fa tsy tian'ny tavaratra ny merina ?

Tsy vitsy ny milaza fa tsy tia "ambaniandro" ireo olona avy any Avaratra. Ao ireo milaza fa voaavona eny an-tsena, ka na tsy afa-po na tsy mahazo valin-teny mihitsy aza. Rehefa tena midina eny an-toerana nefa, tsapa fa maro ny mety ho sakana, mahatonga tsy fifankahazoana. Anisan'izany ny fiteny tsy mitovy na "dialecte". Amin'izany nefa, raha ny fahalalam-pomba dia ny vahiny no miezaka mamantatra ny teny na voambolana ampiasaina any amin'ny tany tsidihana. Ny vary sosoa ohatra dia "sabeda" no fiantso azy, ary ny laoka kosa dia "kabaka".
Efa zatra mandray vahiny raha i Nosy Be manokana. Marobe ireo olona, indrindra ireo mpivarotra, no sariaka amin'ny mpividy rehetra, sady miezaka manazava tsara rehefa misy fanontaniana. Ny tena sorohana dia ny manafintohina olona any an-toerana. Isaky ny mitsidika toerana iray dia tokony hanontany ireo fady sy ireo fihetsika na fanao tsy azo atao. Ohatra amin'izany, rehefa hitsidika ny Nosy Sakatia dia tsy mahazo mitondra alika.

Ireo tsara ho fantatra

Malaza ho "lafo fiainana" ao Nosy Be. Noho izy Nosy mitoka-monina sady be vahiny no mahatonga izany. Raha mikasa ny handeha any an-toerana, tsara ny manomana 50 000 ariary no miakatra (olon-droa) isan'andro amin'ny toerana ipetrahana. Ilaina ny mamandrika toerana na manao "réservation", indrindra rehefa amin'ny fotoana maha-be olona any an-toerana toy izao. Ny sakafo ihany koa dia somary lafo raha mitaha ny ao Antananarivo. Mila manomana 10 000 ariary raha kely indrindra isaky ny misakafo (plat + boisson). Raha te hitsitsy sady hanandrana karazana trondro, tsy vitsy ireo mpivarotra tsotsotra eny amoron-dalana.
Mila vola ihany koa ny fitsidihana ireo Nosy ao Nosy-Be. Tafiditra amin'izany ny fiara mankeny amin'ny tora-pasika iaingana, ny saran'ny vedette, ny sakafo eny an-toerana ary ny fitarihan-dalana amin'ny fitsidihana.

Lire la suite

Articles Similaires