• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Madagasikara

Fialantsasatra : maro mpisafidy hatrany Mahajanga sy Toamasina

02/08/2023 08:39 © Moov.Mg

Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra isika ankehitriny. Raha ny mpitsangatsangana avy eto Antananarivo manokana dia Mahajanga sy Toamasina no toerana be mpitsafidy indrindra rehefa hialasasatra hamonjy ny morontsiraka. Fa inona tokoa no mahasiraka amin’ireo toerana roa ireo ?

Mahajanga sy Toamasina, akaiky kokoa raha te hamonjy ranomasina

Maro ireo mpiala sasatra no misafidy ny handeha any Mahajanga sy Toamasina noho ireto farany akaiky kokoa raha miala eto Antananarivo. Nohon’ny fahasarotan’ny fiainana tokoa mantsy dia voafetra ihany ny vola entina mandeha vacances. Raha mitaha amin’ireo tanàna malaza fandehanana miala sasatra toa an’i Morondava, Toliara, Nosy BE, Sainte-Marie, Tolagnaro… dia mora kokoa ny saran-dalàna mankany Mahajanga sy Toamasina. Misy rahateo moa ireo olona tsy mahazaka mandeha fiarakodia lavitra ka ireo toerana roa ireo no mora ahitany ranomasina. Ny ankamaroan’ireo mpanao vacances any Toamasina moa dia manjohy hatrany Foulpointe, izay tsy lavitra ihany koa nefa dia mahafinaritra ny mpivahiny.

Mahajanga sy Toamasina, efa maro ny fotodrafitrasa andraisana ny vahiny

Anisan’ny antony lehibe hisafidianan’ny mpiala sasatra an’i Mahajanga, Toamasina sy Foulpointe ny hamaroan’ireo fotodrafitrasa afaka mandray ny vahiny. Ahitana toeram-pandraisam-bahiny (hébergements) isan-karazany ary sahaza ny fahafana rehetra tokoa amin’ireo toerana ireo. Misy ihany koa ireo trano iray manontolo (villas) ahofa mba ahafahan’ny mpianakavy miara-mipetraka sy mahandro sakafo. Efa maro ihany koa moa ny fitaovam-pitaterana sy ny toerana fisakafoana any Mahajanga sy Toamasina mba tsy ho sahirana ny mpiala sasatra mandritra ny vacances.

Toerana fialan-tsasatra mety hialana voly tsara

Ankoatra ny filalaovana eny amin’ny tora-pasika dia maro ireo fialam-boly afaka atao rehefa mandeha miala sasatra any Mahajanga sy Toamasina. Anisan’izany ny fandehanana amin’ireo toerana mampalaza ilay tanàna. Raha ho an’i Mahajanga manokana ohatra dia afaka mandeha milalao ao amin’ny Aqualand ny mpianakavy, mandehandeha mitsidika ny tanàna, miampita any amin’ny tanàna kelin’i Antsanitia… Ho an’ireo misafidy ho any Toamasina dia maro ihany koa ireo toerana fialamboly eo am-povoan-tanàna toy ny toeram-pandihizana, fanaovana billard, kitonotono eny amin’ny bord… Tsy diso anjara ihany koa ireo mpankafy zavaboary sy tora-pasika izay afaka mandeha mitsidika ny Réserve de Palmarium na koa mandeha mamonjy an’i Foulpointe.

Lire la suite

Articles Similaires