• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Exode Tours
Image
Madagasikara

Fiomanana sy fitandremana raha hitondra fiara amin’ny fialantsasatra

12/07/2023 15:45 © Moov.Mg

Maro ireo fianakaviana na mpinamana handeha hialasasatra no mikasa ny hitondra fiara. Sady manamora ny fivezivezena any amin’ny toerana aleha moa izany no mety mampihena ny saran’ny fitaterana. Inona kosa ary ireo fiomanana sy fitandremana atao raha handeha hialasasatra mitondra fiara?

Hitondra fiara amin’ny fialantsasatra : atao « révision » sy « entretien » ny fiara

Raha mikasa ny hitondra fiara amin’ny fialantsasatra dia mila azo antoka tsara ny pitsopitsony rehetra amin’ny fiara entina vao mandeha. Noho izany, mila manokana fotoana sy vola ny tompon’ny fiara anaovana révision sy entretien an’ity farany. Jerena avokoa ny resaka hisitra, jiro, kodiarana, menaka sy ireo kojakoja maro samihafa mampandeha ny fiara sy manan-danja amin’ny fisorohana ny lozam-pifamoivozana. Tsara ny manantona mécanicien azo antoka hijery ny fiara andro vitsivitsy mialoha ny fandehanana raha mahatsikaritra fahasimbana na tsy fahatomombanana mampanahy.

Mitondra fitaovana fanamboarana fiara raha sanatria misy olana eny an-dalana

Na vita révision sy entretien tsara ary ny fiara entina mandeha mialasasatra dia tsy ilaozan’izay mety hisy olana na fahasimbana tsy ampoizina eny an-dalàna. Ilaina foana noho izany ny mivonona amin’ny fitaovana fanamboarana fiara mety ilaina raha sanatria misy izany fahasimbana izany. Anisan’ireo fitaovana tokony hoentina ny pince, tournevis, clés, bougies… Tsy adinoina ihany koa ny mitondra pneu de secours sy cric raha sanatria ka vaky pneu eny an-dalana.

Atao vonona hatrany ny fitaovam-pifandraisana

Mila atao feno tsara ny batterie an’ny finday rehetra alohan’ny hiaingana rehefa hitondra fiara amin'ny fialantsasatra. Tsy adinoina ihany koa ny manisy fahana amin’izy ireny mba ahafahana miantso vonjy amin’ny havana na namana raha sanatria ka misy olana ny fiara mandritra ny dia. Mety ho vita amin’ny alalan’ny fifampiresahana an-telefaonina amin’ny mécanicien ny famahana ny tsy fahatomomban’ny fiara. Tsara ihany koa raha manana nimerao an’ireo « dépanneur » ireny ihany koa ao anaty finday mba ahafahana miantso azy ireny raha sanatria ka tsy mety velona intsony ilay fiara.

Ireo fitandremana atao raha hitondra fiara amin'ny fialantsasatra

Misy ireo fitandremana atao mba hampizotra tsara ny fialantsasatra raha mitondra fiara. Voalohany amin’izany ny tsy fandehanana mafy loatra, indrindra amin’izao lalana feno lavaka izao. Raha azo atao dia aleo tsy mandeha alina, indrindra raha hanjoy ireo lalam-pirenena atahorana amin’ny tsy fahandriam-pahalemana. Raha tsy maintsy handeha maizina dia manaraka ireo taxi-brousses manao « caravane ». Fadiana ny misotro alikaola rehefa hitondra fiara mba hisorohana ny lozam-pifamoivozana. Ary farany, kajiana tsara ny solika arotsaka mba hisorohana ny tsy fahampian’izany eny an-dalana. Soava dia e !

Lire la suite

Articles Similaires