• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Madagasikara

Andrimpanjakana : Inona avy ny asan'ny "Sénat" na "Antenimierandoholona" ?

01/07/2023 07:05 © Moov.Mg

Maro ireo tsy mahalala ny antom-pisian'ny "Sénat" na "Antenimierandoholona". Tsy vitsy ireo manameloka ireo "sénateurs" ho mpandany ny volam-bahoaka fotsiny. Mba anatevenana ny fahalalana ankapobeny sy isorohana ny fiheveran-diso isan-karazany, tsara ny mahafantatra ny asan'izy ireo.

1# 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 : 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒎𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝑳𝒂𝒍à𝒏𝒂
Rafitra roa no mpandany ny lalàna eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara : ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Tsy maintsy lany eo anivon'ireo andrimpanjakana ireo ny lalàna iray vao asiam-panovana sy ampiharina.
Ny asa fahefana mpanao lalàna :
• Mandany lalàna amin’ny alalan’ny fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina (Assemblée Plénière).
• Manolotra tolo-dalàna.
• Manome alalàna ny fankatoavana ny fifanarahana iraisam-pirenena.
• Mandany ny lalàna momba ny teti-bolam-panjakana.

Nandritra ny fotoam-pivoriana voalohany tamin'ity taona 2023 ity izao, izay nifarana omaly 30 jona, dia niisa sivy ambiny folo ny Volavolan-dalàna lany raha toa ka iray kosa ny Tolo-dalàna lany. Nosinganina tamin’izany ny :
• Volavolan-dalàna mahakasika ny fampiasam-bola eto Madagasikara izay entina hamporisihana ireo mpandraharaha vahiny sy teratany malagasy hampiasa vola eto Madagasikara. Ity Lalàna ity moa dia mitàna anjara toerana lehibe mba hananan’i Madagasikara fahaleovan-tena ara-toe-karena;
• Volavolan-dalàna mikasika ny « Code minier » izay manamafy sy ny manome lanja ny andraikitr’ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana eo amin’ny fitantanana ny harena akibon’ny tany ;
• Volavolan-dalàna mifehy ny orinasa koperativa izay manome lanja sy mampilamina ny rojo-pihariana eny ifotony ary miantoka ny fahafahana manondrana ny vokatra any ivelany ;
• Volavolan-dalàna miisa efatra mikasika ny fifanarahana iraisampirenena noraisina teo anivon´ny Organisation Internationale du Travail mba ho fiarovana sy fampiroboroboana ny fahasalaman’ny mpiasa na andranomasina izany na mpiasa ety an-tanety miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakàna mba hananan’ny vahoaka Malagasy tsirairay avy asa mendrika, ao anatin’ny rariny ara-tsosialy mandrafitra ny lalàna momba ny asa, hiadiana amin’ny tsy fitoviana eo amin’ny tontolon’ny asa dia nolaniana ;
• Volavolan-dalàna ho fanamafisana ny fifanaraham-piarahamiasa ara-toekarena (APE) eo amin'ireo firenena 5 nanao sonia, ny vondrona Afrika Atsinanana sy Atsimo (AfOA) izay mirakitra sehatra telo lehibe ahitana ny fifanakalozana ara-barotra, ny jono an-dranomasina sy anatiny, ny fampandrosoana ny fiompiana trondro ary ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana ahitana ny sehatra tsy miankina, ny fotodrafitrasa, ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana izay sehatra telo laharam-pahamehana amin’ny Governemanta hahatongavana amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo
• Volavolan-dalàna nametraka ny Faritra Ambatosoa ho faritra faha-24 eto Madagasikara izay hanamafy ny fitsinjaram-pahefana sy hanamora ny fampandrosoana isam-paritra ary indrindra indrindra hampisy fitantanan-draharaham-panjakana manakaiky ny vahoaka.
Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ireo Volavolan-dalàna nankatoavana famatsiam-bola hanatanterahana tetik’asa mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka eny ifotony, toy ny fifehezana ireo voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo ihany ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fanatsarana ny sehatry ny fambolena, ny fanatsarana ny fotodrafitr’asan’ny fanadiovana ary koa ny fifehezana ny vokadratsy sy ny faharetan’ny tondra-drano hanatsarana ny fahasalamana sy ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva.
2# 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 : 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒉𝒚 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒎-𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂𝒎-𝒑𝒂𝒓𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒕𝒔𝒊𝒏𝒋𝒂𝒓𝒂𝒎-𝒑𝒂𝒉𝒆𝒇𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒔𝒐𝒍𝒐 𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒗𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏-𝒅𝒓𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒕𝒐𝒆𝒌𝒂𝒓𝒆𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒂𝒓𝒂-𝒕𝒔𝒐𝒔𝒊𝒂𝒍𝒚
Tsy mijanona amin'ny fampandaniana lalàna ihany ny Antenimierandoholona. Manasoa ny firenena ihany koa izy ireo amin'ny alalan'ny fidinana ifotony sy ny famitana iraka samihafa toy ny:
• fambolen-kazo : ny tanjona moa dia ny handrakofana ala an’i Madagasikara;
• famitana iraka tany ivelany sy fitadiavana fiaraha-miasa ao anatin’izany;
• fijerena manokana ireo ankizivavy niharan’ny herisetra;
• fanaovana dinika tamin’ireo fikambanana ara-drazana samihafa ho fanajana ny kolontsaina malagasy ;
• fitsidihana akany mitaiza zaza sembana;
• famaliana ny antson’ireo mponina vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza sy ny havandra;
• fihainoana ny fitarainanan’ireo fikambanan’ny ben’ny tanàna manoloana ny zava-misy iainan’izy ireo any ifotony sy ny fitondrana izany hetahetampon’izy ireo izany nandritra ny fihaonana tamin’ny Governemanta.
3# 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 : 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂-𝒎𝒂𝒔𝒐 𝒏𝒚 𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑮𝒐𝒗𝒆𝒓𝒏𝒆𝒎𝒂𝒏𝒕𝒂
Anisan'ny mpanara-maso ny asan'ny Governemanta ny Loholon’i Madagasikara. Manana adidy amin'ny fitsirihana isan-karazany ireo loholona. Porofon'izany ny tsy maintsy anaovan'ny praiminisitra sy ireo misitra tatitra ao amin'ny Antenimierandoholona.
Ny asa mpanara-maso : Mametraka fanontaniana amin’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta na an-tsoratra na am-bava, manao fanadinana hentitra (interpellation), mametraka ny vaomiera mpanao famotorana (commission d’enquête). Ny Loholona dia mihaona indray mandeha isaky ny 15 andro farahakeliny amin’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta mandritra ny fotoam-pivoriana, mametraka fanontaniana sy mihaino ny valiny, ka amin’ireo no itondrany ny hetaheta avy amin’ny Faritra misy azy sy ampitàny koa ny teny avy amin’ny Ben’ny tanàna.
4# 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂: 𝒎𝒑𝒂𝒏𝒐𝒍𝒐-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑮𝒐𝒗𝒆𝒓𝒏𝒆𝒎𝒂𝒏𝒕𝒂
Mamporisika ny governemanta hiara-hientana ny Antenimierandoholona. Tsy mitsahatra ny fanentanana ny tompon’andraikitra sy ny teknisiana isan-tsokajiny mba handray ny andraikiny manandrify azy amin’ny fampiharana ireo Lalàna lany ireo ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka.

5# 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂
Mandray anjara amin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany ny Antenimierandoholona. Manamarina izany ireo fitsidihana notanterahina tany ivelany sy ny fandraisana ireo vahiny mana-kaja maro teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona.

Lire la suite

Articles Similaires