• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Madagasikara

26 jona 2023 : Ireo sary nanamarika ny Matso lehibe teny Mahamasina

26/06/2023 22:30 © Moov.Mg

"Malagasy miray hina, Madagasikara mandroso". Izany no teny filamatra nankalazana ny 26 jona 2023, fetim-pirenena sady fetin'ny Foloalindahy Malagasy.

Mankalaza ny faha 63 taona niverenan’ny fahaleovantenany i Madagasikara. Tsarovana ihany koa ny nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy, izay tandroka aron'ny vozona mampanjaka ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena.

" Ny fampandrosoana ny firenena dia ilaina atao anatin'ny firaisan-kina, ny firaisan-tsaina, ny firaisam-po ary tsy hanaiky ny ho zarazaraina isika" hoy Filoham-pirenena Andry Rajoelina sady Lehibe Faratampon'ny Foloalindahy raha nanokatra ny matso notanterahina teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.


Copyright Image : © PRM

Miisa 3684 ireo nandray anjara tamin’ny matso lehibe ho fankalazana ny faha-63 taonan’ny niverinan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Nahitana mandeha an-tongotra, mitondra fiarakodia, mitondra kodiaran-droa, mitondra fiaramanidina sy angidimby. 404 amin’ireo mpandray anjara no vehivavy.


Copyright Image : © PRM

Naseho ny besinimaro tao amin'ny Kianja Barea Mahamasina ireo fiara hafakely entina miady amin'ireo mpanao asa ratsy. Tsy adino ny sambo izay ampiasaina amin'ny fiarovana ny sisin-tanin'i Madagasikara. Nahavariana ny maro ihany koa ny nahita ireo mpitandro ny filaminana nitaingin-tsoavaly.


Copyright Image : © Sénat de Madagascar

Marihana moa fa tsy nandray anjara ireo miaramila frantsay avy atsy amin'ny Nosy La Réunion, na dia nanatanteraka famerenana aza.


Copyright Image : © Sénat de Madagascar

Kaominina Antananarivo Renivohitra

Nandray anjara mavitrika tamin'ny nataon'ny faha-63 taonan'ny nahazoan'i Madagasikara fahaleovantena ireo polisy monisipaly. Mandray anjara amin'ny fandrindrana ny fifamoivozana sy ny fandaminana ireo tsena eto an-drenivohitra moa izy ireo.


Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina

Naseho tao amin'ny kianjaben'i Mahamasina ihany koa ireo Mpamonjy voina, niaraka tamin'ireo fiara maro ampiasain'izy ireo amin'ny famonoana afo sy ny fanadiovana.


Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina

Demonstrations dynamiques

Nampitolagaga ny "démonstration dynamique" nataon'ireo mpianatra eo anivon'ny sekoly miaramila ACMIL, SEMIPI ary ENSOA. Nisy ny fampisehoana mikasika ny haiady izay ampiofanana ireo mpianatra miaramila.


Copyright Image : © PRM

Nampiavaka ny fankalazana tamin'ity taona 2023 ity ihany koa ny fampisehoana natolotry ny mpanao fanatanjahan-tena Tai Ji sy Taekwondo. Fiaraha-miasa tamin'ny governemanta sinoa sy koreana moa no nahafahana nanatanteraka izany.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires