• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Sakafo 26 jona : manao ahoana ny vidin’ny entana eny an-tsena ?

23/06/2023 08:52 © Moov.Mg

Efa manakaiky ny asaramanitra. Samy efa miomana sahady ny isan-tokantrano amin’ny sakafo atao amin’ny 25 sy 26 jona. Ndeha ary ho resahana ny vidin’ny entana eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fety izao.

Sakafo 26 jona : mbola tsy miakatra ny vidin’ny akoho amam-borona

Ny akoho amam-borona ny anisan’ny sakafo 26 jona ankafin’ny fianakaviana malagasy. Maro karazany hisafidianana izy ireny eny an-tsena eny ary azo lazaina fa mbola tsy niakatra ny vidiny raha oharina ny tamin’ny taona lasa. Raha ny akoho gasy manokana moa dia manodidina ny 16 0000 ariary hatramin’ny 25 000 ariary ny vidin’ny akoho velona, arakaraky ny habeny. Eo ho eo amin’ny 19 000 ariary eo kosa ny vidin’ny gana iray raha toa ka 40 000 ariary ny sarin-dokitra. Araky ny nambaran’ny mpivarotra eny an-tsena dia mety hiakatra 2 000 ariary amboniny ny vidin’ireo akoho amam-borina ireo amin’ny andron’ny 25 jona.

Tsy niova ny vidin’ny hena sy ny trondro

Maro ihany koa ireo ankohonana misafidy ny hena ritra na hena misy fangarony ho atao sakafo 26 jona. Amin’izao andro vitsivitsy mialoha ny fety izao dia hita fa mbola tsy nisy fiovana ny vidin’izy ireny eny an-tsena eny. Mijanona ho 18 000 ariary hatramin’ny 20 000 ariary ny kilao ny henan-kisoa ary manodidina ny 19 000 ariary kosa ny kilao ny hen’omby. Tsy voatery mitovy avokoa moa izany vidin’entana izany eny amin’ny tsena rehetra eny. Mety hihaotra na ho latsaka kely, arakaraky ny tsena aleha. Ho an’ny trondon-dranomamy toy ny Tilapia dia manodidina ny 19 000 ariary hatramin’ny 25 000 ariary ny kilao, arakaraky ny habeny.

Ary ny legioma sy ny anana ?

Nohon’ny fiakaran’ny vidim-piainana dia tsy mahavita manao hena na vorona ritra tsy misy fangarony intsony ny ankamaroan’ny ankohonana. Misy ireo misafidy ny legioma, misy ihany koa ireo misafidy anana ho fangaron-daoka. Toy ireo entana maro hita eny an-tsena eny amin’izao akaiky fety izao dia tsikaritra fa tsy nahitana fiakarana ihany koa ny vidin’izy ireny. Raha ny teny amin’ny tsenan’ny tantsaha eny Mahazo no jerena dia teo amin’ny 1 200 ariary teo ny kilaon’ny ovy raha toa ka 1 400 ariary ny an’ny karaoty. Manodidina ny 1 200 ariary ny kapoaka ny tsaramaso ary 1 900 ariary ny petits pois.

Lire la suite

Articles Similaires