• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Madagasikara

Rovan'i Madagasikara : Mampiranty ny "Majungasaurus crenatissimus"

20/06/2023 14:34 © Moov.Mg

Ahitana ny taolan'ny dinaozoro "Majungasaurus crenatissimus" ao amin'ny Rovan'i Madagasikara, Manjakamiadana Antananarivo. Maro ireo tsy mahazo ny anton'ny nametrahana io taolam-biby io ao an-dapa.

Maro ny fanakihanana mikasika ny fampirantiana ny taolam-biby "dinaozoro" ao amin'ny Rovan'i Madagasikara. Ny mahazatra ny maro mantsy dia any amin'ny "Parc Tsimbazaza", ao amin'ny musée de paléontologie na anthropologie no misy ireo taolam-biby isan-karazany.

Nahoana àry no misy dinaozoro ao amin'ny Rovan'i Madagasikara ?

Sady lapa no mozea ny Rovan'i Madagasikara. Hita eny an-toerana araka izany ireo tahirim-bakoky ny tantara tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka teto Madagasikara. Misy ihany koa ny antsoina hoe "réserve" izay natokana ho an'ireo mpikaroka mahakasika ny tantara eny an-toerana. Isan'ireo voka-pikarohana hitan'ireo mpikaroka Malagasy hita ao amin'ny Rovan'i Madagasikara ity dinaozoro ity.
Toy izao ny fanazavana mahakasika azy :
Ity singa ity dia dika mitovy amin'ny taolam-biby dinozaoro antsoina hoe "Majungasaurus crenatissimus" biby tsy hita raha tsy teto Madagasikara (espèce endémique), tany Mahajanga, ka nahatonga ny anarana hoe "Majungasaurus". Biby lehibe mivelona amin'ny hena ary niaina teto fitopolo tapitrisa taona lasa ny dinaozoro.
Ity taolam-biby ity dia fitambaran'ireo singa nangonin'ireo mpahay paleontolojia izay notarihan'ny Dr Armand Rasoamiarana, mpampianatra mpikaroka eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo sy i David Krause, avy ao amin'ny Oniversiten'ny "Stony brooks" any Etazonia. Nanampy azy ireo ny sekoly ambony momba ny fikajiana ny tontolo iainana aty amin'ny faritra tropikaly teto Antananarivo, izay noforonina manokana ho an'ity tetikasa ity.

Majungasaurus crenatissimus

"Majungasaurus" dia dinaozoro hafa kely : bory vava, matevina ny karandohany, avo be ny trafony izay mihoatra ny lohany. Ireo lavaka eo amin'ny karandohany no misy ny orony, ny masony, ary ny valanoranony sy ny sofiny. Fohy ny tongony aloha ary mandeha sy mihazakazaka mafy amin'ny tongony aoriana izy.
Biby mpiremby ny "Majungasaurus crenatissimus" nandritra ny fahavelomany teto Madagasikara tamin'ny vanim-potoana nahitana farany ny dinaozoro na ny vanim-potoana "crétacé". Tsara ny manamarika fa ny ankamaroan'ny dinozaoro talohan'ny "Majungasaurus" dia ahitana nify izay azy ihany. Manaporofo izany fa biby mihinana ny karazany mitovy aminy ihany na "cannibale" izy.

Lire la suite

Articles Similaires