• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Madagasikara

Rovan'i Madagasikara : 'Ndeha hiverenana an-tsary ny fitokanana

19/06/2023 10:29 © Moov.Mg

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly alahady 18 jona 2023 ny Rovan'i Madagasikara etsy Manjakamiadana. 28 taona aorian’ny nahamay azy, dia miverina misokatra ho afaka tsidihan'ny daholobe ny Rovan'i Madagasikara izay natao ho mozea, manomboka anio alatsinainy 19 jona 2023.

Nanokatra amin'ny fomba ofisialy sy nanao ny fitsidihana voalohany izany mozean'ny Rovan'i Madagasikara ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny Mialy Rajoelina ny 18 jona 2023.

Nanotrona azy mivady moa ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, ary ireo masoivoho vahiny.


Copyright Image : © PRM

Mozea nohavaozina

Amin’ny maha mozea azy, dia mitahiry ireo harem-bakoky ny Tantara ny Rovan'i Madagasikara. Mbola hita ao anaty Rova ireo fitafy, kojakoka, fitaovam-piadiana, fandriana sy fitaovana isan-karazany nampiasain'ireo Mpanjaka. Maro ireo toerana azo tsidihina toy ny lapa Besakana, ny Kianja Masoandro, ny fasan'ny lahy sy ny vavy, ny fiangonana, ny lapa Masoandro, ny kianja Andrianjaka, sns.
Ankoatra ireo dia ho hita ao koa ny rihana natokana handefasana ireo horonan-tsary fanadihadiana ny tantaran'i Madagasikara hatramin'ny faha mpanjaka hatramin'ny vanim-potoana ankehitriny amin'ny endriny 3D. Azo atao tsara araka izany ny mijery horonan-tsary fohy mikasika ny tantaran'i Madagasikara tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka.


Copyright Image : © Moov.mg

Kianja Masoandro

Notokanana omaly ihany koa ny kianja Masoandro, toerana fanaovana fampisehoana. Nanatanteraka seho miavaka ireo mpianatry ny CEG Avaradrova namelomana indray ny tantaran'i Madagasikara tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka.


Copyright Image : © PRM

Naharitra teo ho eo amin'ny 45 minitra ny seho. Nolalaovin'ireo ankizy teny an-dapihazo ny anjaran'ny Mpanjaka nifandimby, ireo mpanolo-tsaina, ireo vahiny, ireo mpanjanaka ary ireo vahoaka.


Copyright Image : © Andry Rajoelina

Famakiam-boky

Hita any amin'ny rihana ambony ny famakiam-boky. Mbola hita ao ireo Baiboly nampiasain'ny Mpanjaka Radama I sy an'ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Maro ihany koa ireo boky mikasika ny fianarana sy ny kolontsaina izay mahaliana ny sokajin-taona rehetra.


Copyright Image : © PRM

Fandresena

Velirano nataon'ny Filoham-pirenena tamin'ny vahoaka malagasy tokoa ny hamerina indray ny hasin'ny vakoka malagasy sy ny kolontsaina izay mariky ny fiandrianam-pirenena ary hamelona indray ny hambompom-pirenena ao amin'ny malagasy rehetra. "Tsy misy afaka mamafa ny tantaran'i Madagasikara ary tsy misy afaka mamafa ny maha-Malagasy antsika. Ho tandindon'ny lasa, ho endriky ny ankehitriny ary ho taratry ny hoavin'ny firenena anie ny Rovan'i Madagasikara" hoy ny Filoha Andry Rajoelina


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires