• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Serasera Sy Ny Kolontsaina
Image
Madagasikara

5 jona : andro manerantany hiadiana amin’ny fanararaotana ireo beantitra

15/06/2023 16:47 © Moov.Mg

Miova manaraka ny fanatotoloana ny fomba fiaina sy fisainantsika malagasy. Tsikaritra ankehitriny fa nihena ny fanajana sy fiarovana ireo beantitra. Ndeha ho resahina eto ary ireo karazana fampahoriana sy fanararaotana atao amin’ireo zokiolona eny amin’ny fiarahamonina eny ary ny tokony atao hiarovana ny zon’izy ireo.

Ireo karazana fanararaotana ireo beantitra hita eny amin’ny fiarahamonina

Marihana isaky ny faha 15 jona ny andro manerantany hiadiana amin’ny fanararaotana ireo beantitra. Maro tokoa ankehitriny ireo zokiolona hiharan’ny tsy rariny, na avy amin’ny fianakaviana, mpiray monina sy eny amin’ny toerana hafa halehany. Maro karazana tokoa ireo fampahoriana sy fanararaotana sy ireo beantitra hita eny amin’ny fiarahamonina eny. Anisan’izany ny :
fampahoriana ara-tsaina izay miatra amin’ny alalan’ny fanaovana tsinontsinona ilay olona antitra, ny fanompana, ny fandrahonana, ny fanomezana tsiny amin’ny tsy rariny, ny faniratsirana, ny tsy famelana hifanerasera amin’ny olona hafa… ;
fampahoriana ara-batana toy ny fikasiahan-tanana, tsy fikarakarana ara-dalàna ireo beantitra tsy mahavita mandeha na mikarakara tena, tsy fanomezana sakafo, fanararaotana ara-nofo na fanolanana… ;
fanararaotana amin’ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana amin’ny alalan’ny fangalarana, fisolokiana, fanambakana nohon’ny fahanteran’ilay olona, tsy fanomezana toeram-ponenana ara-dalàna…;
fampahoriana amin’ny lafiny ara-pahasalamana toy ny tsy fanomezana ny fitsaboana sahaza azy raha toa ka marary, ny fanomezana fanafody fampatoriana mihoatra ny tokony ho izy, tsy fividianana ny fanafody ilaina, tsy fanaraha-maso ny fahasalamana... ;

Inona no tokony atao mba hiadiana amin’ny fanararaotana ireo beantitra ?

Tafiditra anatin’ny soatoavintsika Malagasy ny fanajana sy ny fikarakarana ny zokiolona sy ny beantitra. Andraikitry ny zanaka sy ny taranaka ny mikarakara ny ray aman-dreny nahitana masoandro rehefa reraky ny fiainanana sy ny fitadiavana izy ireny.
Nohon’ny fahasarotan’ny fiainana dia maro ankehitriny ireo taranaka no manao ankilabao ny fikarakarana ny ray aman-dreny beantitra. Misy kosa nefa ireo izay minia mampahory sy manararaotra azy ireny. Manana zo miaro azy toy ny olona rehetra ny beantitra ary enjehin’ny lalàna ny fanaraotana sy fampijaliana iniana atao amin’izy ireny.
Entanina noho izany ireo olona mahita na mahatsikaritra toe-javatra manohintohina ny zo sy ny falalahan’ny beantitra mba hitoroka izany amin’ny manam-pahefana. Efa misy ihany koa ankehitriny ireo fikambanana miaro ny zon’izy ireo toy ny Fikambanana Mikarakara Zokiolona Beantitra eto Madagasikara.
Nisy moa ny hetsika nokarakarain’ireto farany tao amin’ny Tranompokonolona Isotry ho fanamarihana ny andro manerantany hiadiana amin’ny fanararaotana ireo beantitra. Nandray anjara fitenenana sy fanentanana tamin’izany ny Jeneraly Ramakavelo sy ny mpahay lalàna mikasika ny zon’ny zokiolona.

Lire la suite

Articles Similaires