Manala volofotsy : mety hisy vokadratsy ve ?
Isan’ireo fiovana miseho miaraka ny fahanterana ny volofotsy. Misy ireo manaiky ny fisian’izy ireny ka mamela azy haniry. Misy kosa ireo manongotra ireo volofotsy mitsiry. Mety hisy fiantraikany ratsy ve ny manala volo fotsy ? ‘Ndeha ho resahana eto ary ny mikasik’izany.
Inona no mahatonga ny volofotsy ?
Alohan’ny hiresahana ireo mety ho fiantraikan’ny fanalana volo fotsy dia fantarina ny antony mahatonga ny volofotsy. Ao anatin’ny volo dia misy ny « cellules » antsoina hoe « mélanocytes ». Ireto farany no mamokatra ny « mélanines » izay manome loko ny volo. Rehefa miha-antitra isika dia mihena ny fiasan’ireo « mélanocytes » na hoe tena tsy miasa intsony mihitsy izy ireo ka izay no mahatonga ny volofotsy. Misy ihany koa moa ireo olona mety ho misy volofotsy aloha be noho ny tsy fahatomombanan’ny « mélanocytes ».
Ireo mety ho fiantraikan’ny fanalana volofotsy
Fahenontsika matetika ny hoe rehefa halana ny volofotsy iray dia lasa mitombo ny volofotsy maniry eo amin’ny toerany. Tsy marina nefa izany fiheverana izany. Ny famokaran’ny « mélanocytes » ireo « mélanines » manome loko ny volo ihany no mampisy ny volofotsy. Tsy misy fiantraikany amin’izany nefa ny fanalana ny volofotsy. Rehefa hongotana matetika nefa ny volofotsy dia mety misy ireo vokadratsy aterak’izany :
-Fahasimban’ny « follicule pileux ». Ity farany moa dia ny fototra hitsirian’ny volo tsirairay ao anatin’ny hoditra. Rehefa hongotana foana ny volofotsy dia mety ho simba io « follicule pileux » io ka mety lasa tsy hisy volo hitsiry intsony avy ao aminy. Izany dia mety lasa hampanify ny volo ;
-« Inflammation » sy « infection ». Mety handratra ny hodi-doha ny fanongotana ny volo fotsy matetika loatra. Raha izany no mitranga dia mety hahatonga « infection » raha toa ka misy bakteria tafiditra ao anatin’ny « follicule pilleux » ;
-Mihamatevina sy mora hita ny volofotsy. Isaky ny manala volofotsy isika dia lasa miha-matevina ny volofotsy vaovao maniry eo amin’ny toerany. Rehefa lasa matevina ny volo fotsy dia lasa mora hita kokoa. Ankoatra izay dia mety hangidihidy manorisory eo amin’ny faritra haniriany.
Inona no tokony atao vao mitsiry ireo volofotsy voalohany ?
Maro ireo zavatra azo atao raha vao maniry ireo volofotsy voalohany. Anisan’ny hevitra mahomby sy tsotra indrindra ny famelana azy haniry ao fotsiny. Raha mbola vitsy tokoa mantsy ny volofotsy dia mety tsy hisy hahatsikaritra ny fisiany. Raha misy mahita ihany koa nefa izy ireny dia tsy tokony hisy hahamenatra satria lalam-piainana voajanahary tsy maintsy ho diavin’ny tsirairay ny fisiany.
Ho an’ireo tsy mahazo aina amin’ny fisian’ny volofotsy dia azo atao tsara ny manafina azy ireny. Raha mbola vitsy kely ireo volo mitsiry dia afaka atao ny manety azy ireo amin’ny fotony toy izay manongotra azy. Azo atao ihany koa ny manova ny « coupe » mba hahafahana manakona ireo volofotsy eo aloha ohatra. Misy ihany koa ireo misafidy ny mandoko volo. Tandremana kosa mba lokom-bolo tsara kalitao no ampiasaina mba hanimba be loatra ny volo.