• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
DYI

Torohevitra hikolokoloana ny hodi-tava rehefa miaratra volom-bava

09/10/2024 14:51 © Moov.Mg

Fikarakaram-batana mila ataon’ny ankamaroan’ny lehilahy ny fiaratana volombava rehefa alohan’ny handeha hiasa. Matetika nefa dia misy fiantraikany ratsy eo amin’ny hoditra ny fanaovana izany. Fa inona tokoa ary ireo vokadratsin’ny fiaratana volombava ? Ahoana ny fomba atao mba hisorohana azy ireo ?

Inona avy ireo fiantraikan’ny fiaratana volombava eo amin’ny hodi-tava ?

Ny hoditra dia voarafitra sosona maro izay samy manana ny anjara asany. Ny sosona ivelany indrindra, atao hoe « couche cornée », no miaro ny sosona manaraka na ny « épiderme » amin’ireo zavatra ivelany mety hanimba azy, toy ny hafanana, ny rano, ny hatsiaka… Miofaka ho azy moa io « couche cornée » io ary miavao hatrany.
Ny fiaratana volombava dia mety hampiofaka aloha loatra io sosona io. Raha izany no mitranga dia mety tsy ho voaaro ireo sela ao ambaniny ka lasa mahatonga « irritations » eo amin’ny hodi-tava. Izany hoe mety ho lasa mivaramena na hisy mony mivoaka.
Marihana moa fa miankina amin’ny toetry ny hodi-tava tsirairay ny fiantraikan’ny fiaratana volombava. Ho anireo manana hoditra « grasses » na be mony dia mety hisy mony mipoitra eo amin’ny faritra naratana. Ho an’ireo manana hoditra maina na « sèches » dia mety hivaramena na hisy « plaques » eo amin’izany faritra izany.

Ahoana ny fomba atao hiarovana ny hoditra rehefa miaratra volombava ?

Mba hiarovana ny hoditra amin’ny ireo fiantraka ratsin’ny fiaratana volombava dia tsara raha omanina tsara ny hodi-tava alohan’ny hiaratana ny volombava. Ny atao voalohany dia ny fandemana ny faritra hoaratana amin’ny rano mafana. Izany dia mampisokatra ny mason-koditra no sady manalefaka ny volombava ka mahatonga ireto farany ho mora haratana. Raha azo atao dia rehefa maraina no miaratra satria amin’io fotoana io no mahazo aina tsara ny hoditra ary tsy mbola miasa be ireo lalan-drà ao anatiny.
Ankoatra izay dia mila safidiana tsara ny « soin » ampiasaina. Ireo vokatra manokana natokana amin’ny fiaratana volombava sahaza ny lehilahy no vidiana. Izany dia mba hamerana ireo fiatraika ratsin’ny fandalovan’ny hareza eo amin’ny hodi-tava. Misy karazany roa moa ireo vokatra ireo, dia ny « mousse » sy ny « gel ». Mety kokoa hoan’ny hoditra maina (peau sèche) ny « gel à raser » ary ny « mousse à raser » kosa no tsara ampiasaina raha manana toetry ny hoditra matavy (peau grasse).

Lire la suite

Articles Similaires