• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Reddit
Image
DYI

Ireo akora natoraly hanesorana ny tain-dalitra miraikitra amin’ny valitafo

26/09/2024 16:10 © Moov.Mg

Toe-javatra mateti-pitranga tokoa ny hoe feno tain-dalitra miraikitra eo amin’ny valitafo (plafond). Miendrika teboteboka kely mainty be dia be moa izy ireo ary tena manaratsy endrika ny trano tokoa ny fisiany. Ireto manaraka ireto ary ny santionany amin’ireo akora natoraly mandaitra hanesorana ny tain-dalitra miraikitra amin’ny valitafo.

Vinaigitra fotsy

Efa tsy zoviana amintsika intsony ny vinaigitra fotsy sy ny fampiasana azy amin’ny fanadiovana isan-karazany ao an-trano. Mbola mandaitra ihany koa ity akora natoraly ity amin’ny fanesorana ny tain-dalitra miraikitra amin’ny valitafo. Tsotra ny zavatra atao. Kikisana aloha ireo tain-dalitra matevina sy mivangongo eo amin’ny valitafo mba hiala. Rehefa afaka izany dia kosehana amin’ny éponge novontosana vinaigitra ireo ambiny tsy afaka. Aorian’izay dia kobanina ary avela ho maina mba tsy hamaritra.

Tongolo

Akora natoraly mora hita ao an-dakozia izay mandaitra amin’ny fanalana ny tain-dalitra amin’ny valitafo ihany koa ny tongolo (oignon). Alohan’ny ampiasana azy ity dia kikisana ireo tain-dalitra mivangongo eo amin’ny valitafo. Rehefa izay dia zaraina roa ny tongolo ary io no ampiasaina hikosehana ireo tain-dalitra ambiny eo amin’ny valitafo. Rehefa hita fa niala tsara daholo ireo teboteboka kely mainty dia kobanina amin’ny éponge sy rano.

Karibonetra

Manampy betsaka amin’ny fanadiovana samihafa ao an-trano toy ny vinaigitra fotsy ihany koa ny karibonetra. Akora natoraly mandaitra amin’ny fanadiovana ny valitafo tasin’ny tain-dalitra nefa tsy atahorana hitarika vokadratsy ho an’ny fahasalamana izy ity. Afangaro anaty bol ny karibonetra sy ny rano matimaty mba ahazoana somary marihitra. Ity paty io no ahosotra eo amin’ireo tain-dalitra ary avela hilona mandritra ny minitra vitsy. Avy eo kosehana mora amin’ny éponge mando dia afaka ireo tasy ireo.

Fanamarihana

Marina fa mandaitra ireo torohevitra fanesorana ny tain-dalitra naroso ireo. Marihana nefa fa mety manimba ny lokon’ny valitafo ny fanalana ireo tasin’ny tain-dalitra, indrindra raha efa tranainy ilay loko. Mila mitandrina ihany koa sao tsy mety amin’ilay loko ny akora ampiasaina ka vao maika handoto na hanimba ny endriky ny valitafo. Alohan’ny hanombohana dia tsara raha andramana amin’ny faritra kely amin’ny kihon’ny valitafo tsy talaky maso ilay akora ahitana hoe mety na tsia.

Lire la suite

Articles Similaires