• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Couronnes De Victoire
Image
DYI

Torohevitra manampy mba hahamora lava ny volo

02/10/2024 16:18 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo sahirana manalava ny volo. Efa vidiana avokoa ireo karazana vokatra isan-karazany manalava volo nefa tsy mety mahita vokatra. Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra mahomby tsara atao raha maniry hanalava haingana ny volo.

Kolokoloina tsara ny hodi-doha

Marihana fa miainga avy amin’ny hodi-doha ny fanirin’ny volo. Noho izany dia mila karakaraina tsara ny hodi-doha mba ho salama sy handrisika ny fitombon’ny volo. Ho fanatanterahana izany dia mila manao « gommage » indray mandeha isaky ny 1 volana sy tapany. Izany dia mba hanesorana ireo loto sy hoditra maty manentsina ny maso-koditra ao amin’ny hodi-doha sy manempotra izany.

Orina ny loha

Manampy betsaka amin’ny fanirin’ny volo ary manalava haingana izany ny fanorana ny loha mandritra ny 5 minitra isan’andro. Asiana menaka natoraly mandrisika ny fanirin’ny volo, toy ny huile de moutarde, huile de gingembre… , eo amin’ny lohan-ny rantsan-tanana avy eo orina ny hodi-doha. Rehefa ilay mibango volo alohan’ny hatory iny no fotoana tsara hanaovana izany.

Tsy tapahana fohy ny volo

Fahenontsika matetika ny hoe mila faranana ny volo mba ho mora lava. Mandaitra tokoa izany satria rehefa mihalava ny volo dia mety hisy vakivaky na tapatapaka ny lohany. Raha tsy esorina izy ireny dia mihitatra miakatra ka voatery ho tapahana mihintsy ny volo. Raha tapahana foana nefa ny volo dia mazava ho azy fa tsy ho lava mihintsy. Mba hisorohana izany dia mila atao izay mahasalama ny tahom-bolo amin’ny alalan’ny fanamandinana sy fikarakarana tsara izany mba tsy ho simba.

Safidiana tsara ireo vokatra mety amin’ny volo

Mora lava tokoa ny volo rehefa salama sy voakarakara tsara. Mba ahatongavana amin’izany dia vokatra mety amin’ny karam-bolo no ampiasaina. Mila fantarina arak’izany hoe manao ahoana ny toetrin’ny volo izay vao misafidy ny vokatra ampiasaina aminy. Tsara hatrany raha vokatra natoraly no safidiana noho izy ireny tsy manimba ny volo. Ankoatra izay dia mila manana faharetana. Tsy voatery hahazo vokatra vetivety fa mila mahavatra sy maharitra.

Lire la suite

Articles Similaires