• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura-Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo sy zava-pisotro mitondra rano hoan’ny vatana

16/10/2024 16:41 © Moov.Mg

Efa tsy zoviana amintsika intsony ny maha zava-dehibe ny fisotroana rano eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana sy ny vokadratsin’ny tsy fahampiana rano. Fantatrao ve fa ankoatra ny rano fisotro dia misy ihany koa ireo sakafo sy zava-pisotro mitondra rano hoan’ny vatana ? Araho eto ary ny santionany amin’izany.

Ireo karazana sakafo mitondra rano betsaka hoan’ny vatana

Maro tokoa ireo karazana sakafo, indrindra ny voankazo, mitahiry rano betsaka ka tsara hoanina matetika mba hiadiana amin’ny « déshydratation » na ny tsy fahampiana rano amin’ny vatana. Anisan’izany ary ny :
-Pastèque izay voankazo sady manala hetaheta no mampangatsitsiaka rehefa mafana ny andro. Ny 90% mandrafitra azy io dia rano. Ankoatra izay dia mitahiry vitamina A sy C ary antioxydants ny pastèque ka izay no mahatonga azy ho isan’ireo sakafo mitondra rano hoan’ny vatana tsara hoanina mba hiadiana amin’ny « déshydratation ».
-Concombre izay manana « texture » mikarepoka sy tsiro mamimamy dia isan’ireo sakafo mitondra rano betsaka hoan’ny vatana. Rano moa no mandrafitra ny 95% ny concombre. Sakafo tsy be kaloria izy io ka mety tsara hoan’ireo te hitazona sakafo voalanjalanja sady mijanona ho ampy rano ny vatana.
-Haricot vert izay mitahiry rano amin’ny tahany 91%. Legioma iray manankarena potassium, magnésium ary calcium izy ity. Ireo mineraly ireo dia miasa amin’ny fisorohana ny fiakaran’ny tosi-drà. Etsy andaniny dia manampy betsaka amin’ny fanomezana rano ny vatana ny fihinanana haricot vert. Tsy atao masaka be moa izy ireny fa atao mantamanta mba ho voatahiry ireo mineraly ilaina ao aminy.
FANAMARIHANA : Mazava ho azy fa tsy mahasolo fisotroana rano ny fihinanana ireo karazana sakafo voalaza ireo. Ny anjara asany dia manampy ny fanomezana rano ho an’ny vatana mba hiadiana amin’ny « déshydratation » amin’ny alalan’ny sakafo.

Ireo karazana zava-pisotro tena manala hetaheta

Tsy ny zava-pisotro rehetra no mitondra rano hoan’ny vatana sy manala hetaheta araka ny tokony ho izy. Misy tokoa ireo vao mainka manamaina ny vatana sy mampitombo ny hetaheta. Ankoatra ny rano ary dia ireto manaraka ireto ireo zava-pisotro manome rano ny vatana :
-Ny ranona voanio izay zava-pisotro natoraly, tsara tsiry ary manankarena potassium sy sodium. Manala hetaheta ary mitondra rano hoan’ny vatana ka tsara sotroina tokoa izy io rehefa mafana be iny ny andro ;
-Ny ranom-boankazo marihitra (smoothies) tsy asiana siramamy vita ao an-trano. Ity karazana ranom-boankazo ity dia vita amin’ny voankazo sy rano kelikely. Tena mandaitra amin’ny fanomezana rano hoan’ny vatana ary mitondra otrikaina mahasalama izy ireny. Manala hetaheta tokoa izy ity raha afangaro ny frezy, mananasy sy cocombre ;
-Ny thés glacés tsy asiana siramamy ihany koa dia zava-pisotro iray manala hetaheta sy mahasalama kokoa raha oharina amin’ireo zava-pisotro mamy sy misy gaz ireny. Ny thé vert no isan’ireo tena manankarena antioxydants izay manampy betsaka amin’ny fiarovana ny vatana tsy ho « déshydraté ».

Lire la suite

Articles Similaires